Basy atifi-kavana ny an’i Victor Wing Hong, filohan’ny fikambanana OFPACPA (Organisation des Familles des Personnes Arrętées suite ŕ la Crise Politique Actuelle) mikasika ireo dosie mafana sy raharaha manahirana eto amin’ny firenena, toy ny trafika “bois de rose”, ny tsy fandriampahalemana ary koa ny fitantanana ny fienena amin’ny ankapobeny raha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana.
Tia tanindrazana (TT): Anisan’ny tena sarotiny amin’ny afera “bois de rose” ianao. Efa mba nitsahatra ve izy io amin’izao ao Mananara sy Maroantsetra ao ?
Victor Wing Hong (VWH): Raha mbola i Andry Rajoelina no filoha eto dia tsy mijanona io resaka “bois de rose” io. Tamin’ireny tolona tamin’ny 2009 ireny anie ka nisy “bois de rose” be dia be teny amin’ny lapan’Iavoloha e ! Fa nankaiza daholo izy ireny izao? Aiza daholo koa ireo “bois de rose” tratra tany aminay tany ka nentina teto an-drenivohitra ? Rehefa nesorina tamin’ny toerany ny Minisitry ny tontolo iainana dia nofoanana tanteraka ny tetibolan’io ministera io ka tsy afaka manao fanaraha-maso intsony. Efa nisy ny tetikasa hanampiana ny isan’ny mpiasan’ny ala “forestier” amin’ireny faritra mena amin’ny resaka “bois de rose” ireny. Tao anatin’ny vinavina mihitsy aza ny fananganana sampandraharahan’ny ministeran’ny tontolo iainana tao Mananara sy Maroantsetra. Tsy misy tanteraka anefa izany satria notapahan’ny fanjakana foibe araka ny efa nolazaiko teo ny enti-manana. Amiko dia tsy hijanona io resaka io raha tsy olona tapa-kevitra no mitondra. Ny mampalahelo anie dia atao akalana “bouc émissaire” foana ny mponin’i Mananara sy Maroantsetra ary SAVA kanefa ny fadintseranana no tena tompon’antoka. Lazaiko izany na iza faly na iza tsy faly. Tsy resaka “bois de rose” ihany no mahasaringotra ny fadintseranana fa misy koa menaka hanintsika. Misy dosie azo resahana momba izany.
TT : Niakatra fitsarana ny fanondranana «bois de rose» sarona tao Maorisy. Tsy voakitikitika mihitsy anefa ny mpandraharaha iray voarohirohy izay anisan’ny efa notononinao fa mpanao afera na “bois de rose” ?
VWH : Raha fanjakana tena hanova zavatra dia tokony ho nambarany izay tompon’antoka amin’io raharaha io raha tsy hilaza afa tsy ny “bois de rose” sarona tany Maorisy. Misy anarana avokoa anie ao anatin’ny antontan-taratasy amin’ireny ka tokony havoaka gazety izy ireny. Amin’izao mantsy dia ampirimina avokoa ireny dosie ireny. Mbola mitazona ny teniko aho momba ireo olona manao io trafika io satria zavatra hitako sy niainako ilay izy fa tsy foronina akory. Mbola marihiko fa goragora ny fivoahan’ireo “bois de rose” ao amin’ny fadintseranana sy ny MICTSL.
TT : Tezitra mafy aminao mihitsy ny Tale jeneralin’ny fadintseranana noho izay fiampangana ataonao izay. Ianao anefa mbola manamafy hatrany ?
VWH : Raha sahy ny Tale jeneralin’ny fadintseranana dia atsangano ny vaomiera mpanao fanadihadiana ary ho anisan’ny mpikambana ao anatiny ny tenako. Maro ny andrim-panjakana mpanao fanadihadiana saingy rehefa midofotra any ambony izy io dia tsy misy tohiny. Tadidio fa tamin’ny 2009 dia nivoaka an-gazety mihitsy ny anaran’ny Tale jeneralin’ny fadintseranana fa hoe nangalatra niaraka tamin’ny filoha Ravalomanana. Amin’izao anefa miverina amin’ilay toerany izy kanefa ny filoha Ravalomanana tsy avela hiverina an-tanindrazana. Inona ary izany no tena heloka anenjehana an-dRavalomanana satria ny olona nendrikendrehana niaraka taminy dia lazaina fa anjely izao ? Tamin’ny fameranana azy amin’io toerana io anefa dia efa saika nigrevy daholo ny mpiasan’ny fadintseranana rehetra. Mety ho noho ny “fahaizany” izany no ilain’ny fanjakana ankehitriny ? Raha izany no izy dia anjely mitovy aminy koa anie izany ny filoha Ravalomanana ka tsy hitako izay maha sarotiny ny FAT amin’ny fiverenany. Ampodio izy dia ho hita eo ny marina. !
TT : Fanapahan-kevitra tamin’ny “forum régional” tany Antsiranana ny tokony hamarotana ny “bois de rose”satria simba am-pitoerana ireo tahiry ankoatra ny tsy hividianan’ny Sinoa azy intsony amin’ny faran’ny taona. Ahoana ny fahitanao izay ?
VWH : Ny tsy ekeko dia fanangonana ireo “bois de rose” aty Antananarivo nefa tsy hita intsony izay tohiny avy eo. Raha hamidy izany ireny tahiry ireny dia averina amin’ny mpandraharaha tompon’ny hazo ny volany. Omena ny faritra niaviany kosa hanaovana asa fampandrosoana ny tombony.
TT : Efa niresaka momba ny filoha teo aloha ianao teo. Anisan’ireo nigadra tamin’ny fitondrany ianao nefa toa miaro azy izany izao ary manaiky ny fodiany ankalalahana aza, raha tsy niova hevitra angaha. Inona no antony ?
VWH : Nogadrain’ny fitondrana teo aloha tokoa aho noho ny hevitra tsy mitovy. Tsy amin’ny maha Ravalomanana azy no notoheriko fa ny fomba nitantanany ny firenena. Manana kara-panondro izy ary Malagasy ka zony ny monina eto Madagasikara. Raha misy ny tsy mety nataony nandritra ny fitondrany dia eo ny fitsarana hiandraikitra an’izay. Momba ny fiverenany dia tsy miteraka olana izany amiko satria te hiova, te hihavana ary te handroso raha ny fahitako azy. Iza amin’ny mpanao politika efa nitondra koa moa no tsy meloka sy tsy nanota ? Iza koa no tsy mikaikaika amin’izao fitondrana izao ka rehefa mirodana io dia henjehana daholo indray ve ireo mpitondra ireo ? Ary iza koa amin’izay no hangataka amnistia ho an’i Andry Rajoelina ? Rehefa nilokaloka hanova isika dia aleo tena manova tanteraka satria tsy misy antony nanesorana ny teo aloha raha ny tsy nety nataony ihany no tohizana.
TT : Ho avy ny fifidianana. Manao ahoana ny fahitanao ny fanomanana any amin’ny faritra misy anao any ?
VWH : Raha fifidianana filoham-pirenena, solombavambahoaka na koa Ben’ny tanàna no hatao dia tsy mbola hitondra vahaolana amin’ity firenena ity izany. Tsara ifanarahana aloha izay rafitra itondrantsika ity firenena ity mialoha izany. Inona koa no atao mba tsy hampiady antsika intsony ? Aleo hazava fa ny olana eto mantsy dia mbola tsy voafaritra ny atao hoe Malagasy. Misy amintsika no mainty fihodirana fa ao koa ny fotsy fihodirana. Iza amin’izy ireo ary no tena Malagasy ? Ka aleo aloha apetraka tsara ny soatoavina tena Malagasy. Rehefa tafapetraka fa tsy misy ny Malagasy ambony sy Malagasy ambany ary mijoro ny rafitra iarahana dia aroso amin’izay ny fifidianana. Tsy matahotra hiatrika izany izahay na androany aza fa ny tsy hampiady ny Malagasy sy ny disadisam-piarahamonina eto Madagasikara no kendrena aloha.
TT: Inona no idiran’izany resaka izany amin’ny maha mainty na maha fotsy fihodirana ny Malagasy ?
VWH : Misy foana ny fanavakavahana mantsy. Izahay izao dia iharan’izany matetika. Ny anarako dia Victor Hong izany hoe ohatra ny Sinoa kanefa ny reniko dia Malagasy ary milevina eto koa izahay. Samy manana ny foto-piaviana avokoa izany ny Malagasy kanefa misy andian’olona manavakavaka ka mitarika adim-poko eto. Fotoana izany izao hamadihana ny pejy ka anarahana an-dry zareo Amerikanina ohatra izay nanaiky ny hiakaran’ny filoha Obama izay mainty hoditra eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena.
TT : Hanatanteraka fihaonamben’ny Faritra 22 ianareo amin’ny herinandro ambony. Raha ny mpanohitra irery no ao fa tsy ao ny mpitondra, tsy ho fotoana very sy vola lany fotsiny indray ve izany io satria efa maro izay karazana fikaonan-doha natao izay fa tsy nisy vokany ?
VWH : Hisy mpitondra handray anjara ao fa tsy i Andry Rajoelina aloha. Azy samirery iny fa jereo anie ny tsy fandriampahalemana manerana an’i Madagasikara, ny olan’ny fampianarana, ny fitsarana. Tsy misy zavatra tsy mikorontana eto. Ao anatin’ny tondrozotra anie ka milaza fa mila miresaka isika Malagasy ho fitsinjovana ny vahoaka. Fitsinjovana azy ireo ve ny isan’ny Parlemantera efa ho 1000 ? Tsy tokony hihoatra ny 2 isaky ny Distrika ny CT ary tsy atao raharaham-pianakaviana tahaka ny misy amin’izao. Ilaina ilay fikaonan-doha izay aterina amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Raha sanatria tsy mandray moa ry zareo dia tsy maninona izany satria isika ihany anie no mila mifandamina e !
TT : Kianinao ny orinasa Ambatovy hoe “tsy mahaleo ny sarany ny vidiny” raha izay no azo ilazana azy. Tsy efa maro kosa ve ny asa omen’io orinasa io ny tanora ankoatra ny fampandrosoana ara-toekarena ?
VWH: Tsy masiaka aho fa miteny ny zava-misy. Manahirana anie na ny fomba fampidirana mpiasa ao satria raha tsy akamakama dia tsy tafiditra. Ny ampahan’ny karaman’ireo izay tafiditra aza dia mampalahelo fa mbola omena ireo tomponandraikitra nampanao ny fandraisana mpiasa “recrutement”. Inona kosa no mba ataony amin’ny resaka fampandrosoana ? Ny fanamboaran-dalana ao Toamasina io anie ka vola avy amin’ny seranantsambo. Tsy misy zavatra azo mihitsy avy amin’Ambatovy afa tsy aretina amin’ny alalan’ny setroka. Ny mpitondra ambony no mahazo tombontsoa amin’io orinasa io. Amiko dia ny mpitondra manomboka amin’ny PDS-n’ny Kaominina Toamasina, ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, ny minisitra ary hatrany amin’ny filohan’ny FAT matoa ireo manaiky izao. Tsy fantatra akory anie izay tambiny azon’ny fanjakana amin’io tetikasa io fa konokonon-dry zareo ao samirery e !
T.T : Ny teninao farany ary ?
VWH : Manainga ny vahoaka tsy hatahotra intsony. Dieny mbola matanjaka dia mijoroa. Raha misy hitanao tsy mety dia aza matahotra mitsikera satria an’ny Malagasy i Madagasikara ka samy tompony isika mianakavy.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.