Mampiahiahy ny fandehan’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, hoy i Velompanahy Aristide (Cnosc) raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety tao Antsirabe ny tenany.
Nambarany fa anisan’ireo mpikambana ao amin’ilay komity mpanara-maso ny tondrozotra ny tenany. Araka ny fahitany azy dia ataon’ny sasany amin’izay mahamety azy ny tondrozotra. Iny anefa no marimaritra iraisana ka tokony hampiharina. Ny marimaritra iraisana amin’ny Malagasy dia hevitry ny rehetra ka tsy voatery ho tombontsoan’ny tsirairay fa ho an’ny rehetra rehefa nifanekena. Mampanahy, hoy i Velompanahy Aristide ny mety hankatoavan’ny vondrona iraisam-pirenena ny fanatanterahana ny fifidianana raha tsy ampiharina tanteraka iny zavatra efa nifanarahana iny.
Tsy mbola eo am-pelatanana hatreto ny vola hanantanterahana ny fifidianana ka ho sarotra ny hahazoana manao izany sy hanekeny ny voka-pifidianana izay atao raha tsy hifanaraka amin’io tondrozotra io. Araka ny heviny dia mila jerena akaiky ny fampiharana io tondrozotra io, satria mbola ny tombontsoan’ny tsirairay avokoa no jeren’ny sasany fa tsy ny tombontsoam-pirenena, ary efa mikajy sahady ny fifidianana ho avy ny sasany. Tokony hapetraka ny fifandeferana sy ny fampitoniana ara-politika, hoy i Velompanahy Aristide, satria mora ny mametraka ny rafitra takian’ny tondrozotra fa ny fampiharana azy no lesoka tanteraka.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.