Politique

Velirano vaovaon-dRajoelina Hasiana “Video projecteur tactile” ny sekoly rehetra


  • Talata 01 Desambra 2020

Nosokafana teny amin’ny EPP manara-penitra eny Soamandrakizay omaly ny taom-pianarana 2020-2021.

 

Ao amin’io sekoly io no voalohany misy ireo “Video projecteur tactile” avy amin’ny UNICEF. Hasiantsika ny sekoly rehetra manerana an’i Madagasikara, amin’ny sekoly izay hosokafantsika, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina teny an-toerana. Raha ny isan’ny kaominina eto Madagasikara fotsiny dia efa 1695, ary atao hoe misy sekolim-panjakana roa avy fotsiny dia efa 3390. Tsy mila mampiasa fafana intsony, fa eo dia efa mitsofoka ny resaka informatika. Eo amin’io “écran” io no hampianarana ireo taranja maro isan-karazany, ary hitanareo fa mahaliana avokoa izany, hoy hatrany ny Filoha. Hapetraka ho laharampahamehana ary indrindra ampanarahana ny teknolojia manomboka izao ny fampianarana ety amin’ny EPP, hoy hatrany i Andry Rajoelina nampanantena. Tena ho vita ve ny hampitovy ny EPP rehetra manerana ny Nosy ho tahaka ny etsy Soamandrakizay sa sao sanatria hitovy amin’ny solosaina isam-pokotontany sy karine manara-penitra? Hisy ny fizarana boky, rakibolana,… Hitanareo ny fanaovana fanatanjahantena, malaza ny Barea, tsy ny Barea ihany no hanaovana kianja fa hatomboka any amin’ny EPP dia efa misy izany Kianja manara-penitra izany, misy izany “terrain mixte” izany, hoy izy. Izao zavatra hitanareo izao no hataontsika fototra hoentintsika hampandroso ny firenena, hoy i Andry Rajoelina. Raha adino, natao lata-danja hatramin’izay ny fampianarana, dia ankehitriny kosa atao laharam-pahamehana, hoy izy, izay nanamaivana ny asa sy ezaka nataon’ny teo aloha toy ny fanaony. Nambaran’ny Filoha fa tsy atao fomba fiteny fotsiny ny hoe ny tanora no ho avin’ny firenena, fa ny tanora sy ny ankizy dia mila kolokoloina mba haranin-tsaina, mba ho avin’ity firenena ity.

EFITRANON-TSEKOLY 800 ISAN-TAONA

15 ny sekoly manara-penitra nitsangana tao anatin’ny fotoana vitsy. 7738 ny ankizy voasoratra anatana, 240 ny mpampianatra, 99 ny mpandraharaha, 168 ny lakilasy, 4200 ny dabilio. Ny sekoly manara-penitra manerana an’i Madagasikara, dia afaka miditra daholo ireo mpianatra rrehetra amin’ireo efa vita fa ny fitokanana kosa dia miandry ny fotoana maha mety azy. Nambaran’i Andry Rajoelina fa 800 isan-taona ny efitranon-tsekoly hatsangana. Tao anatin’ny roa taona 168 ary avo 4,76 amin’izany 800 nampanantenaina ka dia ho hita eo, fa mora ny mampanantena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT