Tsy nisy nandaitra sy nitoetra ny ezaka tao anatin’ny 60 taona. Nanampy foana ny mpiara-miombon’antoka,
fa tao anatin’ny 60 taona nangatahana dia nisy foana ny Malagasy nandohalika, lavo,.. hoy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Nilaza hanao tetikasa lehibe tsy nisy nanao sy tsy nisy nanatanteraka 60 taona, toy ny fitarihana ny reniranon’I Efaho makany Ambovombe. Volan’ny fitondram-panjakana madiodio no hanaovana izany. Sady hitarika rano hoentina hambolena sy hiompiana, fa indrindra hitondra rano voadio ahafahan’ny olona mivelona. Miala eo Ankaramena, Ranohira, Andranovory, Tanandava, Amboasary, Sampona, Ambovombe. Misy ny tetikasa “Mionjo” hitarihan-drano ao Mandrareha makany Sampona amin’ity taona ity na farafahatarany amin’ny janoary 2022,… Hametraka ozinina mpitsinjara rano. Nambara fa hanomboka tsy ho ela ny RN13 (Taolagnaro-Ambovombe) 66 tapitrisa dolara; ny RN10 (Andranovory-Betroka-Ampanihy) 200 km, izay 200 tapitrisa dolara eo, ary ny tapany faharoa dia Beloha-Tsihombe-Ambovombe) nambara fa tsy nisy nikitika mihitsy hatrizay. Noho ny asa nataontsika, dia nanaiky ny Banky Iraisam-pirenena ny hanao na hametraka ny famatsiam-bola mikasika izany, hoy Rajoelina. Hametrahana “parc solaire” ny distrika rehetra any atsimo, ity ilay famokarana herinaatra avy amin’ny herin’ny masoandro. Hapetraka ny toby fanarenana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana na CNRM amina distrika miisa 5. Hapetraka ny ozinina nutriset hizarana sakafo, ozinina fanamboarana spiruline, hopitaly maran-penitra. Hanamboatra gymnase, kianja synthétique ankatoavin’ny FIFA: Amboasary, Betroka, Bekily, Tsihombe, Benenitra,… Biraon’ny kaominina maro be no efa voarafitra ao anatin’ny PEM-SUD. Hanao ny “titre vert” 200 Ha. Hanao fambolena mangahazo 70 000Ha. Hovatsiana angidimby iray vaovao hoentina hiadiana amin’ny dahalo, hitsirihana ny tetikasa tokony hatao,... ny any Atsimo. Hanamboatra “aerodrome” ao Ampanihy,…. Hanova ny tantaran’ny any Atsimo, hanova ny tantaran’i Madagasikara isika, hoy I Andry Rajoelina. Betsaka ny lisitry ny zavatra nambara fa hatao saingy baraingo ny hoenti-manana? Hivarotra harena an-kibon’ny tany? Hivarotra tany araka ny nolazaina teny amin’ny Coliseum ny septambra 2018 ? Hivarotra boaderozy? Sao ho toy ny Tanamasoandro tsy hita maty tsy hita velona? Toy ny mbola propagandy foana isika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.