Politique

Velirano sy fampanantenana Aiza no ahitana 8 miliara dolara ?


  • Alatsinainy 18 Janoary 2021

Goavana ny tetibola tadiavin’ny Fanjakana ao anatin’ny fanatanterahana ny

 

 

 

vinany ao anatin’ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar), izay ambara fa mbola hisy ny fifampidinihana mpamatsy vola. Mahatratra 8 miliara dolara ny tetibola vinavinaina hoenti-manatanteraka ny fanamboaran-dàlana, ka isan’izany RN10, RN12A, RN13, RN44,… izay hanompanana 5 miliara dolara. 3 miliara dolara kosa hanamboarana ny « autoroutes » Toamasina Antananarivo mirefy 285 km. Tena goavana izany tetibola izany, izay mazava ho azy aloha fa tsy misy an’io 8 miliara dolara io velively eo am-pelatanan’ny Fanjakana Malagasy. Ho an’i Madagasikara, tsy mbola misy aloha hatreto ny tena fisiana famatsiam-bola goavana azo, eny fa na tao anatin’ny fanampiana mikasika ny maha olona aza. Nandritra ny fihibohana nisian’ny valanaretina, manodidina ny 800 tapitrisa dolara hatramin’ny 1 miliara dolara eo ny fanampiana iraisam-pirenena. Avo 8 heny amin’izany no vola tadiavina hanaovana an’ireo tetikasa roa ireo fotsiny, mbola tsy voaresaka amin’izany ny tanàmasoandro. Raha handray ohatra iray isika, dia mikasa hanangana tanàn-dehibe goavana any amin’ny 100 km Atsimon’I Dakar ilay mpanakanto Malaza Amerikanina manana fihaviana Sénégalais dia i Akon. 6 miliara dolara eo ny teti-bidin’izany, ary amin’ity 2021 ity hatramin’ny 2029 no heverina hanatanterahana azy. Ao anatin’ny 8 taona eo izany. Ny Mpitondra Malagasy anefa maneho, fa ao anatin’ny 2 taona sy tapany, dia ho vitany ny azy eny Imerintsiatosika satria ao no handraisana ny Lalaon’ny Nosy 2023. Tena hisy ve ny fahagagana amina famatsiam-bola goavana? Sa hisy fifanarahana avo lenta toy ny amin’ny sinoa? Ny resaka hoenti-manana eto amintsika tsy misy, ny fampidiran-ketra ambany dia ambany, ny fahatokisan’ny sehatra iraisam-pirenena tsy misy antenaina, indrindra fa io tafiditra amina laza ratsy noho ny trafika avo lenta sy ny kolikoly maro samihafa io i Madagasikara. Ny kely eo am-pelatanana mbola ratsy tantana. Tena hiseho tokoa ve ny fahagagana mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT