Tamin’ny taona 1974 vao teraka aho no vita tara farany ny RN13 mankany Tolagnaro-Amboasary, hoy ny Filoha Rajoelina omaly. Tsy maintsy atomboka amin’ny taona ho avy raha ela indrindra ny fanamboarana ny RN13, ary raha tsy vita dia tsy manao politika intsony aho, hoy ny velirano nipatrapatraka.
Hanomboka amin’ny herintaona ny fiandohan’ny taona 2021 ho avy io ny asa. Hatao ny RN9, RN 12A mampitohy an’i Vangaindrano sy Tolagnaro,... Any Atsimo no hisy fanamboarana lalana goavana indrindra eto Madagasikara, hoy ny filoha. Hanamboatra kianja manara-penitra, oniversite, fiofanana mifanaraka ny filan’ny any amin’ny faritra, tsena manara-penitra, toby fiantsonan’ny fiara,… no isan’ny fampanantenana. Voaporofo hatrany fa azo hoanina ny lalàna, ary isan’ny vavolombelona amin’izany ny Filoha ankehitriny, raha toa ka isan’ny famendrofendroana novoizina tany aloha ny hoe: “làlana angaha azo hoanina”. Nety sy tsara ihany izany ny laharam-pahamehan’ilay naongana fahiny! Marihina ihany koa fa efa vita Sonia tany Abidjan Côte d’Ivoire ny 30 novambra 2017 ny fanamboarana ny RN 6 (Ambanja- Antsiranana) sy RN13 (Ihosy-Taolagnaro) ka 235 tapitrisa Euros vatsian’ny BEI (Banque Européen d’Investissement) no mamatsy azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.