Politique

Velirano hafa kely Nosy no nampanantenaina, satroka no ho avy


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Nambaran’ny Filoha Rajoelina omaly, fa ho avy rahampitso 05 novambra ny satroboninahitra nalain’ny Frantsay 123 taona lasa izay. Toa nandeha indray ny fandokafan-tena, fa tsy nanao ny fitakiana fa izy irery ihany, ary tafaverina.

 

 

Zava-dehibe izany ny fahatafaverenan’io vakoka io, fa raha ny resaka fitakian-javatra amin’ny Frantsay, dia ny Nosy Malagasy na ny “îles Eparses” no nampanantenaina, fa tsy “couronne” 123 taona. Tsy manaivana an’izany, ireo Nosy ireo no lehibe indrindra sy nanaovana fanamby, ary raha hiresaka fiandrianam-pirenena dia ireo no manan-danja kokoa. Nakana doka politika tamin’ny propagandy rahateo, ary nanomezana fe-potoana mialohan’ny 26 jona 2020 aza,… Any amin’ny tsy mivonto izany no manaintaina, fa hatramin’izay I Andry Rajoelina tsy nisoka-bava firy intsony momba ireo Nosy ireo taorian’ny vava be nanaka-danitra ny 11 mey 2020 fa famerenana no takiana fa tsy fiaraha-mitantana. Ny Frantsay anefa nahavita dingana maro, toy ny fanaovana ho tahiry voajanahary ny Nosy Glorieuses, ny fanambarana nataon’ny loholona fa tsy homena antsika ny nosintsika. Aiza ilay hambompom-pirenena sy tena fitiavan-tanindrazana sa an-tendromolotra ihany? Raha ara-diplaomatika indray, dia tena tsy mahavita ny asany ve izany ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny tamin’ny fahazoana ilay satroka na koa ny fifampiraharahana fa ny Minisiteran’ny kolontsaina no tena nanao ny ainy tsy ho zavatra ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT