Politique

Vehivavy Tiako I Madagasikara Nikarakara fizaham-pahasalamana maimaimpoana


  • Talata 03 Mey 2022

Ny tanjon' ny Vehivavy Tiako I Madagasikara ao anatin'ny tetikasa «Vehivavy mendrika, vehivavy mamiratra ho an' i Madagasikara» dia hanasoa ireo mpiara-belona,

hoy ny isan’ny mpanetsika ity antoko politika ity eto Analamanga, Michelle Razanamahery. Anio, hoy izy, mantsy ny sabotsy teo dia ny vehivavy TIM Atsimodrano, Fokotim, Jeune TIM no nikarakara fizaham-pasalamana maimaimpoana, fizarana ody kankana sy fampiofanana arakasa ho an' ireo renim-pianakaviana tsy an' asa teny Atsimondrano-Mahalavolona. Miandahy miambavy, araka izany, ny fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana ho avy raha ny hita hatreto aloha mikasika ity antoko politika heverin’ny maro ho mbola hany tokana azo antoka indrindra fa afaka hifampitana amin’ny antokon’ny fitondram-panjakana ity. Ny vehivavy TIM moa tamin’io fotoana io teny Atsimondrano raha toa ka tany Ambatomainty-Amparafaravola sy Ambatondrazaka kosa no nanetsiketsika ny fototra na “base” niaraka tamin’ny ekipany sy ny mpanaradia azy ny filohan’ny antoko, Marc Ravalomanana.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT