Taorian’ny tohana ara-tsakafo nataon’ny vehivavy mpandrindra ny Tiako i Madagasikara Andrefan’Iarivo, toa an-dry Nenifara, Charline, Josiane, Saholy ary Jeannette, ny mpitolona tao amin’ny Magro Behoririka tamin’ny alarobia 19 septambra teo mba nanaporofoana fa «aina iray vatsy iray ny Malagasy mpitolona» dia anjaran’ny vehivavy Tiako i Madagasikara foibe indray no hanolotra izany tohana eny amin’ny kianjan’ny Finoana izany anio sabotsy 22 septambra.
Ny fampitam-baovao nomen’ny andriambavilanitra mpitari-tolona, Rahelisoa Alphine, no nahafantarana fa ireo olona 1000 tonga voalohany anio etsy Behoririka dia hotolorana sakafo maivana ho mariky ny fientanana amin’izao fahasarotan’ny fiainana izao ary koa hoentin’ny rehetra mampifantoka ny saina aman’eritreriny tsara amin’ny fampitan-kafatra izay atao anaty kabary. «Izay voky no maharaka ny namany», hoy ny fanamarihana azo avy amin’ity vehivavy TIM foibe ity. «Mila miomana tsara ny saina sy ny vatana amin’ny fiandrasana ny fiavian’i Dada», hoy izy, «ary ho taratry ny sakafo hitobaka aorian’ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana izany rehetra izany. Dia ho tantara sisa izao vahoaka mandry fotsy noho ny fanonganam-panjakana izao».
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.