Haneho ny firaisankinany sy ny maha iray azy ny fikambanam-behivavy ao amin’ny movansy Ravalomanana sy ny Zanak’i Dada any Tôlagnaro.
Hoporofoin’izy ireo fa velona sy miaina ary manana ny maha izy azy ny vehivavy miara-dia amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Hiezaka izy ireo ny hanao asa soa eo anivon’ny fiarahamonina sy hanatanteraka ny baikom-pitolomana avy amin’ny filoha mpanorina. Feno ny fandaharam-potoanan’ireto andriambavilanitra avy amin’ny movansy Ravalomanana ireto ny andro hanamarihana ny andron’ny vehivavy manerantany ny 8 martsa izao, ankoatra ny filaharambe hamakivaky ny tanàna hiarahany amin’ireo fikambanam-behivavy any an-toerana dia hisy ny koranam-pianakaviana hiarahan’izy ireo ao amin’ny foiben-toerana Bazaribe. Amin’izao ankatoky ny fetin’ny vehivavy izao dia efa miarahaba sahady an’i Neny Lalao Ravalomanana ireo mpiara-dia amin’ny filoha teo aloha any amin’iny renivohitra Anôsy iny ary mirary fahasalamana ho an’ny tenany sy ny fianakaviany ary maniry ny hitsidihany an’i Tolagnaro ihany koa.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.