Tsy diso anjara tamin'ny fanamarihana ny 8 martsa andron'ny vehivavy eran-tany ny sabotsy teo ireo andriambavilanitry ny ankolafy Ravalomanana notronin'ireo lehilahy ihany koa amin'ny ady atao amin'ny miralenta an'ity vaninandro ity.
Tetsy amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha izy ireo no nifamotoana notarihan'ny Depiote Rasoanoromalala Horace sy ny depiote Randrianarisoa Stanislas ka namonjy ny mpiara-belona tamin'ny alalan'ny fanomezan-dra maimaimpoana. Hoporofoina amin'ny asa lavitr'ezaka ny fampandrosoana an'i Madagasikara, hoy ny depiote Horace, ary famonjena ny mpiara-belona mila ra hanavotana ny ainy no nataon'ireo mpikambana ifotony. Santatra ambavarano izany fa hajoro tsy ho ela isaky ny Fokontany ny fikambanam-behivavy hanangana orinasa madinika hiara-miatrika ny fiainana. Nanamafy izany ny depiote Rastany tamin'ny filazana fa vonjena ifotony aloha ny aina marefo mba hatanjaka fa rehefa matanjaka vao afaka mikarama mampandroso marina ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.