Niteraka adihevitra lehibe ny fanehoan-kevitry ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy omaly manoloana ny fiakaran’ny rano nateraky ny orana nikija nanao hoe
: “Manadio ny ben’ny tanàna, esoina sy ihomehezana fa lazaina misehoseho. Antsoina hanao tagnamaro hiara-hientana, lazaina hoe fanandevozana io e! Entanina mba tsy handoto fahafarahatsiny rehefa tsy hanaiky hanadio ihany, efa misy olona karamain’ny fanjakana mpanadio ny asany ka na mandoto aza hono tsy maninona fa efa izany foana no natao teo hatrizay. Izao miakatra ny rano fa tsentsin’ny fako nariana tany daholo, mitady tompon’andraikitra omena tsiny mafy… « Raha te haloto ianareo, ny fako ario amin’ny lalana iny. Rehefa tondraka ny rano, aza mifanome tsiny… » hoy Raboussa amin’ilay hira hoe « Asa sy Ezaka ». Tsara henoina iny hira iny mba samy mandinika isika amin’ity tsy sasatry ny mandrora mitsilany ity”, hoy i Lalatiana Rakotondrazafy. Mety manana ny heveriny fa marina, ary tsy misy mandà izany. Mila tsiahivina ve anefa ny fanenjehana sy ny fanakianany ny mpitondra teo aloha rehefa misy rano miakatra toy izao? Ekena fa misy fahamarinany, ary mitombina tanteraka ny hoe: mandrora mitsilany ny vahoaka, saingy nahavita ny andraikiny marina ve ny Mpitondra? Ny vahoaka efa sahirana izao indray no omenao ny moraly be eo. Ianao minisitry ny serasera sady mpitondra tenin’ny governemanta miaraka amin’ny governemanta izany no isan’ny tsy mahay nisera sy nampianatra, tsy manana haitarika na « leadership » mafonja,... Ny fanjakana no Raiamandreny manabe ny vahoaka, natao hitondra vahaolana, fa tsy natao hanala tena tsy ho tompon’andraikitra ka haneso sy handatsa ny vahoaka amin’ny fahavoazany. Tsy hoe: rano niakatra ihany rahateo no niseho, fa nisy endriny maromaro ny loza, ary niteraka famoizana ain’olona aza ny sasany. Be taim-bava be sy manome tsiny ny vahoaka tahaka izany ny Mpitondra saingy miaraka afa-baraka. Lojika ny fanomezan-tsiny ny vahoaka saingy iza no nampanototra ny ampahany amin’ny “Bassin de rétention” isan’ny mitroka rano tao amin’ny Tana Water Front Ambodivona? Aiza izany raha mbola tototra tamin’ny Tanamasoandro teo Ambohitrimanjaka? Ny volana may 2019, dia naneho ny Filoha Rajoelina raha nidina ifotony niaraka tamin’ny depiote Anyah sy ny depiote Lanto Rakotomanga hoe: “Tsy iandrasantsika rotsak’orana fa dieny izao dia arovantsika amin’ny tondra-drano Iarivo: avaozina ny “station de pompage eo Isotry, avaozina ny lakandrano eo Besarety, Andraharo,..”, fa mby aiza izany izao? Tena nisy asa mafonja sy vahaolana mahomby natao sa fampanantenana poakaty ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.