Politique

Vatovavy Fitovinany Nandamin-dresaka ny Filoha


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Nandamin-draharaha tany amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny faran’ny herinandro teo noho ny fifandirana nateraky ny veliranony, dia ny hampizara ho roa ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany.

 

 

Araka ny tatitra, dia mankasitraka sy nanome tso-drano ny fizaram-paritra ho distrika telo avy ao amin'ny Vatovavy sy Fitovinany, ka hitambaran'ny distrikan'Ikongo ho ao amin'ny faritra Fitovinany ireo Ampanjaka, ireo Ndrenony sy ireo solontenan'ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana isan-tokony. Io no nivohitra nandritra ny dinika nifanaovan'izy ireo niaraka tamin'ny Filoha Rajoelina tao Vodirano Manakara. Taorian'ny dinika dia nisy ny fifampizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana. Notaterina ihany koa, fa tanatin’ny fanajana ny fomba aman-panao Antemoro, nihaonana tamin’ireo Ampanjaka, Raiamandreny amin’ny fiarahamonina sy ireo manampahefana avy amin’ny distrikan’i Mananjary, Ifanadiana, Nosy Varika, Manakara, Vohipeno ary Ikongo ny tenako androany, nidinika nanao teny ierana momba io fizarana io ihany koa.

HANANA DISTRIKA TELO AVY

Fizarana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana no atao, hanatsara ny fitsinjaram-pahefana sy hanala ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny fivezivezena momba ireo taratasim-panjakana fa tsy fampisaraham-bazana, hoy I Andry Rajoelina. Tsy ho atao zara vilana noho izany fa atao zara mitovy ka hanana distrika telo avy ny faritra Vatovavy sy ny faritra Fitovinany. Nosy Varika, Mananjary, Ifanadiana no ho Faritra Vatovavy ary Manakara, Vohipeno sy Ikongo no ho Faritra Fitovinany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT