Efa fampanantenana nataon'ny filoham-pirenena nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ary efa nifampiresaha nivantana tamin'ireo Tangalamena sy Olobe taty an-toerana,
hoy ny avy any Mananjary, ny hanasaharana ho roa amin'izay ny Faritra Vatovavy Fitovinany (V7V) misy ankehitriny. Efa nifanaraka ihany koa ireo Depiote avy any Ikongo sy avy any Nosivarika ary avy any Manakara sy avy eto Manjary, hoy izy ireo, fa hanambatra ny hery amin'ny hitakiana mazava ny hampiharana an'ity fizarana ity amin'izay ary dia ireny efa hita nivantana tamin'ny fifanatrehan'ny governemanta sy solombavambahoaka tamin'ny talata 27 mey lasa teo ireny ny santionany filazan'ireo depiote an'izany toe-javatra izany. Miandry ny tatitra hoentin'ireo depiote ireo aty an-toerana ny vahoaka manontolon'ny Faritra V7V ka hafanafana, araka izany, ny fiandrasana an'ity toe-draharaha ity manomboka eto, hoy ny feo voaray avy any an-toerana
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.