Politique

Vary vatsy tsinjo Misy resaka tsy milamina


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Nangingina ny resaka fizarana fanampiana eto Antananarivo na misy aza ireo distrika ao anatin’ny faritra Analamanga tsy nahazo satria toa leo sy tsy manantena intsony ny mponina.

 

 Mbola manantena kosa ny faritra sasany. “Mitaraina ny olona ao Toliara fa 2 volana tsy mbola tonga ny vatsy tsinjo. Natao selfie tamin'ny voalohany fotsiny, toa nisy vary saika hatao “requisition” amin’ny karana fa toa tsy nety ilay sera dia niantona ao”, hoy ny mpanao politika iray. Fa avy aiza marina moa ireo vary zaraina etsy sy eroa ireo? Nalaina tamina mpandraharaha “grossiste” eraky ny tanàna sa vao nafarana mihitsy? Firy taonina no nozaraina na namidy mora hatrizay? Ohatrinona ny volam-panjakana natontona tamin’io? Toa tsy misy tatitra mantsy fa fizarana fotsiny fa ny fampahantarana re farany dia ny tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra tamin’ny 23 jolay 2020 fa hanafatra vary 16 000 taonina isika, ka ny SPM no handray an-tànana izany. Io ve no natao vatsy tsinjo sa natao vary mora ? Mila mangarahara ny zava-drehetra fa tsy hoe rehefa fanampiana dia tsisy resaka sy vitavita ho azy. 3 843 Ariary ny sandan’ny iray dolara tamin’ny 24 jolay izany. 345 dolara eo ny vidin’ny 1 taonina any ivelany izany hoe 1 317 900 Ar ary 21 086 400 000 Ar na 21 miliara ariary ariary mahery eo ny 16 000 taonina, raha raisina amin’io kaonty io. 1 317 Ariary izany ny vidin'ny 1 Kg hanafarana azy, raha kotiana amin’izany. 72 miliara ariary anefa ny vola nambara fa atonton’ny fanjakana tamin’ny fanjakana tamin’ny vatsy tsinjo raha ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra ny 26 aogositra. Ny nanomboka teo amin’io fotoana io sa ny hatrizay? Ara-toekarena, dia nisy fiantraikany betsaka ny tsy fijerena sy fanampiana tosika ny famokarana sy nanafatra entana sy nizarazara tetsy sy teroa. Ankehitriny, 1 euro mira 4550 raha 3800 Ar izany telo volana lasa. Ilaina ilay mizara, saingy tsy vahaolana maharitra sy mety vahaolana lasa miteraka olana hafa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT