Nisy ny fampitam-baovao vonjimaika voaray, fa noraofina kandida depiote iray ny varin’ny sampan-draharaha misahana ny fitantanana ny loza voajanahary na ny BNGRC any Toamasina.
Andrasana ny fanazavana ofisialy momba an’io toe-javatra io sy ny tena marina mahakasika izany. Hanosehana azy amin’ny fampielezan-kevitra no mety anton’io, raha ny fandinihana azy. Ny kandidam-panjakana moa no tena mirehareha sy manao fitaovana ny vary mora, raha ny toe-javatra efa niseho tany Mahajanga. Tsy hay mazava sy tsy nagaraharaha rahateo na tetikasam-panjakana na tetikasan’ny Vovonona IRD (Isika rehetra miaraka amin’I Andry Rajoelina), fa toa lasa fitaovana politika. Malaza ratsy ity kandida ity, izay tsy mahatoky tena ho lany raha ny fahitan’ny maro azy, hany ka mahavita manao tsindry samihafa satria misy mpiaro sy tena mirehareha ho kandidam-panjakana. Vao andro vitsy izay no nivoahan’ny vaovao momba ny tsindry sy baiko homena ireo sefom-pokontany amin’ny toerana be mponina, raha ny tatitra avy any an-toerana hatrany. Efa maro ny karazana fandikan-dalàna niseho tao Toamasina momba io kandida iray io, ary tena minisitra ao anaty governemanta izao no mandray fitenenana tamin’ny famoriam-bahoaka nataony, minisitra am-perinasa izao no mitondra azy hijapy tetikasam-panjakana,… Miha miharihary tanteraka ny fitanilan’ny fanjakana sy ny fanaovana fitaovana ny tetikasam-panjakana sy fahefam-panjakana. Lalao madio sy ara-demokratika tokoa ve ny fifidianana?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.