Tsy hay ny tsy haneho hevitra manoloana ny tsy fanarahan’ny fitondrana misy ankehitriny ny lalàna velona sy ny zon’olombelona, hoy ny avy eo anivon’ny Vaomiera nasionalin’ny nosy Malagasy, omaly tetsy Ambondrona.
Hatramin’ny lalana iraisam-pirenena aza itsahan’ny fitondrana ankehitriny, hoy izy ireo. Ohatra akaiky teo izao ny hetsika nataon’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa izay mikasika ny fampidinana ny vidim-piainana amin’izao, hoy ny mpanao politika, Johnny Paul Andrianjakatiana. Tsy misy intsony ny fahalalahana maneho hevitra, hoy izy. Raha tany tan-dalàna, demokratika, fanjakana tsara tantana no hirain’ny fitondrana ankehitriny dia mankany amin’ny jadona tsy mitondra fampandrosoana fa mihemotra anatin’ny fampandrosoana izany izao. Tsy azo ekena ny mijery fotsiny izany, hoy hatrany ny tenany. Fetin’ny firenena mikambana momba ny fanambarana iraisam-pirenena mikasika ny zon’olombelona ny 10 desambra, hoy ny mpahay lalana iraisampirenena, Arlette Ramaroson. Naneho hevitra tamin’io ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana ary niteny hoe mangataka antsika rehetra firenena ato amin’ny ONU mba hankalaza ny faha 73 taonan’izany ka vakio tsara io dia tandrovy toy ny anak’andriamaso. Nigagan’izao tontolo izao anefa I Madagasikara tamin’io andro io. Nanitsakitsaka ny lalampanorenana sy io fanambarana iraisam-pirenena io. Ambonin’ny fanomezan-dalana na “autorisation” rehetra ny lalana iraisampirenena izay milaza ny maha zo fototra. Ny andininy faha 10 ao anatin’ny lalampanorenana koa milaza fa manana zo hilaza an-kalalahana ny manja antsika isika. Toy izany koa ny tany Toliara. Inona moa no antony nanakananareo ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, tsy hankalaza ny tsingerin-taonany tao amin’ny taniny? Misy ny atao hoe “système des bayonettes intelligentes” na fandavana ny tsy mety marim-pototra. Mety ho tsaraina amin’izany ianao fa ho afaka madiodio. Dia tsy nisy nanda ny mpitandro filaminana fa nitoraka baomba mandatsa-dranomaso sy ny karazany, hoy hatrany ny tenany. Arakaraky ny habetsahan’ny mpitandro filaminana hita teny no ahitana fa resy tanteraka ny fitondrana ary malemy ka basy sy tafondro sisa no heriny, hoy kosa ny profesora, James Ratsima. Isika Malagasy izay mbola manana zo fototra hafa tsy voahaja ankoatran’ireo satria efa tsy manan-kohanina isika, anjarantsika no miheritreritra hoe mbola hanaiky izao zava-miseho izao foana ve ny malagasy, hoy hatrany ny VNNM.
J. Mirija
Legende: Tetsy Ambondrona omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.