Politique

Valim-pifidianana solombavambahoaka Biraom-pifidianana vitsy nofoanana ny vokatra


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Nisy ny fijeren’ny HCC ny fitoriana miisa 684 ny 29 mey ka hatramin’ny 18 jona 2019 raha ny nambara, saingy vitsivitsy ihany no tena nandraisana fanapahan-kevitra rehefa tena dinihina. Tsy nampiova firy ny vokatra.

 

 

 Nofoanana ny voka-pifidianana tamina toerana maromaro, izay tsy ny vokatra manontolo fa tamina biraom-pifidianana  tena nahitana olana tamin’ny ankapobeny. Isan’izany ny tao Analalava izay nanaovan’ny sampana mpanisa vato fitanana an-tsoratra fa nisy  tsy fahatomombanana mikasika ny birao fandatsaham-bato iray tao Ambatomainty kaominina Bejofo, taorian’ny nahitana fa nisy ny fampiasana sarin-tsoratra bileta tokana miisa 48, tsy voasonian’ny mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana, nomena ny kandida laharana faha-2. Nofoanana ny vato miisa 48 azon’ny kandida laharana faha-2 tamin’ny tsy ara-dalàna. Vato 100 an’io kandida io ihany koa ny foana tao Andrevorevo any Analalava ihany. Toe-javatra hafa ihany koa ny fisiana fitanana an-tsoratra tsy tomombana miisa dimy nalefan’ny Sampana mpanisa vato, koa tsy misy vokatra manan-kery tamin’ireto birao fandatsaham-bato iray avy tamin’ireto toerana ireto : Ambohipato Ambilobe;  EPP Ambatomily Ambilobe ; Ambohidaza  Ifanadiana,  Andrafiabe Maintirano ;  Tsararano Mampikony, EPP Tsimikaboke Ambovombe Androy,…

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT