Mbola vonjimaika ny an’ny CENI, miandry ny vokatra ofisialin’ny HCC izahay, hoy ny kandida Todisoa Andriamampandry eny amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo.
Ny TIM manerana an’i Madagasikara sy ny avy amin’ny tsy miankina, dia nandefa fitoriana teny amin’ny HCC satria fantatra fa be dia be ny lesoka hita toy ny lisi-pifidianana betsaka ny olona tsy tafiditra, ary tena mahagaga fa ny olona miaraka amin’ny tenanay sy ny TIM rehetra dia betsaka ny tsy tao anaty lisitra, hoy izy. Manaja ny lalàna ary mametraka fahatokisana amin’ny HCC mba hijery akaiky an’ireo fitoriana, ary miandry am-pitoniana ny valiny avy amin’ny HCC. Misy ny miteny hoe efa mandresy ny sasany amin’ireo, dia mbola manao fitoriana ihany. Ny zava-dehibe dia izao : tsy hoe mandresy ny TIM na resy fa ny fahamarinana sy ny fahamasinana no tokony handresy eto amin’ity firenena ity. Izany no tokony hiadivana. Tokony hibaribary ny mangarahara eto satria rehefa tsy misy an’izay dia lasa tsy mahatoky intsony ny vahoaka rehefa tsy madio ny fametrahana mpitantana sy olom-boafidy eto Madagasikara, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.