Politique

Valifaty politika Zary lasa fomba fanao mahazatra


  • Talata 13 Oktobra 2020

Efa tandra vadikoditry ny mpitondra nifandimby teto ny fanenjehana ireo olona nitondra teo alohany na ireo tsy mitovy hevitra aminy, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika,

 

 

 Otrikafo, mahita ny fifanenjehana politika miseho lany ankehitriny. mipetra ihany anefa ny fanontaniana hoe tena manana porofo tokoa ve ny mpitondra ankehitriny mahatonga azy ireo manenjina ny tsy mitovy firehana aminy sa sanatria valifaty tsotra izao? Raha fanaovana zavatra tsy mety na fanodikodinana harem-pirenenana no anenjehana olona dia mipetraka ny fanontaniana hoe iza tamin’ny mpitondra nifandimby no tsy nanao izany, hoy izy ? Tena tsara toerana tokoa ve ny mpitondra ankehitriny hanenjika ireo mpitondra teo alohany ? Ny hevitray dia tsotra. Tsy misy firenena handroso raha ny valifaty no atao anton-draharaha fa ny zava-dehibe dia ny fahaizan’ny mpitondra manasongadina ny tsara vitany mihoatra ny vitan’ny teo alohany mba ahafahany manaporofo fa mahavita tsaratsara kokoa mihoatra ny teo alohany izy, hoy hatrany ny Otrikafo. Mpisoloky politika foana hatramin’izay no betsaka teto kosa, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Matoa misy ny fanenjehana dia manana dosie izy izay. Tsy madio mangarahara fa nialokaloka tamin’ny andraikitra politika. Azo lazaina ny hoe valifaty politika, hoy izy, fa matoa ianao izay tafiditra anaty araton’ny PAC dia izay no zava-misy. Tadidio fa misy fetrany foana, hoy izy, ny fangalaram-bolam-bahoaka ary mbola ho avy koa ny anjaran’ity fitondrana ity ka tokony ho anatry ny aoriana ny zava-miseho. Efa zary stratejia politika ilay izy, hoy hatrany ny fanazavany. Tetsy ankilany moa ny avy eo anivon’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy na CFM dia nilaza fa anjaran’ny fitsarana ny mijery ny mikasika ireny raharaha maha voasaringotra mpitondra teo aloha ireny.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT