Politique

Valifaty politika Lasa fitaovam-piadiana ny fitsarana…


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Ny faran’ny herinandro lasa teo no nanaovan’ny Filohan’ny Antenimierandolohona Atoa Rivo Rakotovao ampamoaka momba ilay taratasy nalefana manampahefana avy ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika manome baiko ny PAC (Pôles Anti-Corruption)

 

 

 

hoe ampidiro am-ponja vonjimaika (MD) ranona sy ranona. Matoa ihany koa ireo ao anatin’ny SAC (Système Anti-Corruption) nahitana ny Mpandrindra ny PAC, Tale Jeneralin’ny Bianco, Tale Jeneralin’ny SAMIFIN, Tale Jeneralin’ny CSI nanaiky nanao ilay fandaharana tao amina fahitalavitra tsy miankina dia mba te hiteny sy haneho hevitra izy ireo, hanazava ny zavatra iainan’izy ireo ihany koa. Miharihary ny toa karazana kajikajy amin’ny lalàna hamerana ny fahefan’ny PAC, toy ny fanalana ny heloka ara-toekarena sy ara-bola, ny fanagiazana ireo fananana ahiana ho azo tamin’ny kolikoly mialohan’ny fanamelohana,… Misy zavatra tsy milamina izany ao. Ahoana tokoa moa no mbola tsy misy datim-pitsarana mazava momba an-dry Mbola Rajaonah kanefa lazaina fa hananana dosie mafonja ? Ry Berija efa nolazaina fa manohintohina ny filaminana anatiny. I Rolly Mercia lazaina fa nanakarama ireo zatovo teny Ambohipo, izay efa miendrika fahatrarana ambidiomby .ka nahoana no tsy tsaraina dia hamoahana didim-pitsarana raikitra kanefa koa hoe tsy voatery ho « MD systématique ». Inona no tena izy sa miandry ilay fonjabe eny imerintsiatosika vita vao atao ny fitsarana ? Tsy hidirana ny hoe meloka sa tsia ilay olona, fa efa mba ela ihany izay nitazonana an’i Mbola Rajaonah izay satria efa ny 14 febroary 2019, i Berija efa tamin’ny 06 jona, ny 16 jolay ho an’i Rolly Mercia izay ambara fa manohintohina ny fiandrianam-pitenena. Hatramin’izao ve dia mbola tsy feno ny dosie ary alefa amin’izay ny fitsarana ?

MITARAZOKA IREO DOSIE HAFA

 Mitarazoka etsy an-kilany ireo dosie hafa toy ny raharaha « bonbons sucettes » efa tany amin’nyvolana mey, ka ny 04 jona no nanesorana ny Minisitry ny fanabeazana teo aloha, ny raharaha « écrans plats » izay isan’ny nitana ny sain’ny maro, na ireny trafikana fitaovam-piadiana ireny aza mbola raharaha mety handeha fitsarana, saingy mbola miandry ny mpitondra ankehitriny tsy ho eo amin’ny toerana intsony angamba vao handeha ny raharaha fa ny amin’izao aloha mbola anjaran’ireo tsy mitovy hevitra ara-politika.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT