Politique

Vaky ny Miara-manonja Miroaroa saina ny mpanohana


  • Zoma 30 Jolay 2021

Nivoaka tao anatin’ny fahanginany ireo depiote miisa roa ao anatin’ny Antoko TIM omaly, dia Rtoa Hanitra Razafimanantsoa sy Fidèle Razara Pierre, izay tsy re feo firy tao anatin’ny telo herinandro teo.

Nolazain’ny gazety iray aza, fa efa lasa mpiara-dia amin’I Andry Rajoelina izy mianadahy ireo. Nandiso izany kosa ireto depiote ireto izay namorona fandaharana Miara-manonja faharoa, mandeha ao amin’ny onjam-peo AZ Radio sy amin’ny tambajotra, fa tsy mitombina ny filazana fa efa miaraka amin’ny mpitondra. “Isaorana ilay gazety fa tena nanao ny ainy tsy ho zavatra namoaka anay tao amin’ny pejy voalohany. 1 tapitrisa Ar eo izany raha aloa vola. Tonga ny fanontaniana, tsotra ny valiny hoe: aleo ny tantara no hitsara, samy ho tsaraina eto... Raha izay no nanao an’iny, dia mety efa nentina tany amin’ny fitsarana, cybercriminalité,… », hoy ny depiote Fidèle Razara Pierre. Nilaza ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, fa tsy miala ho mpanohitra ary mbola ao anatin’ny TIM izy ireo. Ny Depiote Rodin Rakotomanjato no nisolo tena azy ireo tamin’ny Fikaonandohan’ny mpanohitra. Ao anatin’ny TIM dia misy ny “rédynamisation”, tsy maintsy misy ny fifampiresahana amin’ny zavatra tokony hatao, hoy izy, izay naneho fa ilaina ny fanatsarana. Nizara ho roa kosa ny Miara-manonja re tamin’ny haino aman-jery ka teo ny tamin’ny AZ Radio, ary tao ny nandeha tamin’ny MBS nahenoana ny depiote TIM toa ny depioten’Ambohidratrimo Mamy Rabenirina, ny Mpandrindra Nasionalin’ny TIM Rakotonirina Jean Claude Roger, Faniry Razafimanantany,…. Ankilany kosa dia miara-dia ao amin’ny Miara-manonja iray hafa ny depiote telo miandahy dia Rtoa Hanitra Razafimanantsoa, Fidèle Razara Pierre, ary Rakotomanjato Rodin, miampy an’I Eric Randrianaivo izay mpitarika ny hetsika fanoherana ny Tanamasoandro teny Ambohitrimanjaka tamin’ny fotoan’androny. Natao hanabeazana ny olona ny fandaharana, ary tokony hibahan-toerana ny fanabeazana olom-pirenena amin’ny tena tokony ho andraikiny. Tsy tokony ho lasa fifanenjehana sy fifanasana vangy, hoy kosa Atoa Rakotonirina Jean Claude Roger.

Tamin’ny ankapobeny, samy tsy nisy nanisy resaka firy mikasika ny fifampisitahana kosa na ny tao amin’ny AZ Radio na ny tao amin’ny MBS. Samy manohitra ny fitondrana, saingy samy manao ny azy. Hatreto, miroaroa saina ireo mpiara-dia amin’ny Lehiben’ny mpanohitra Atoa Marc Ravalomanana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT