Politique

Vaky ny adin’ny samy mpitondra Nifampitandroka i Rinah R sy Brunelle


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Vaky tanteraka ny adin’ny samy ao anaty Fanjakana, nivoaka ny resaka voalaza nifanaovan’ny Tale sereseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga sy ny Depioten’Ikongo Jean Brunelle Razafitsiandraofa, izay tsy nisy aloha ny fandisoana ofisialy amin’ny maha tsy mitombina azy.

 

 

Ankivatravatra sy maneho ny efa fikorontanana sy tsy fifankahazoana ao anatin’ny samy olom-panjakana. Mitandroka olom-boafidy ny olom-boatendry. Samy te ho « rôle » ka mifanenjana ny samy mpanohana Filoha, ary mivoaka ny karazana tsiambaratelo. Atosika tsy ho ao anatin’ny valan’ny MAPAR intsony Atoa Brunelle Razafitsiandraofa raha ny hita tao anatin’io resaka io satria tsy manaraka izay tian’ny mpanatanteraka atao. Rahonana fa havoaka ny tsiambaratelo mahakasika azy, ka tokony hipetraka tsara. Asaina mifindra lasy any amin’ny TIM mihitsy aza. Nivoaka tao ny mety hanalana ity depiote ity tsy Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena, saingy ny hita aloha dia nisy depiote efa nijoro, fa maka azy satria izy no olom-boafidy sy mahalala tsara an’Ikongo amin’ilay resaka fizaram-paritra. Ity farany izay voalaza fa tsy afa-miteny ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana.

FIFAMALIANA MIDIKA ZAVATRA MARO

Toy izao ny fizoatry ny resaka, izay tsindriana hatrany, fa mbola tsy nisy ny fandisoana azy ho zavatra diso sy tsy marina, ary avy tamin’ny iray amin’ireo nifamaly no heverina fa niandohany. « Tsy hitako izay mbola maha MAPAR anao fa misitaha tsotr’izao rehefa tsy mahay manaraka ny ambaran’ny Filoha. Olona notsotsofina vao lany miseho ho mihantsy etsy sy eroa eroa. Ary raha haverina eto avokoa ny adalanao rehetra teny amin’ny PAF sy ny nandritra ny ianao minisitra dia mipetraha tsara raha tsy te ho afa-baraka tanteraka”. “Milaza ampahibemaso fa asintaka aho fa aza terena amin’ny zavatra tsy ataoko sy tsy eritreretiko, hoy ny ankilany. “Ary dieny izao dia mandiniha tena fa sao ahongan’ny olona tsy ho Filoha Lefitry ny antenimierampirenena intsony afaka fotoana fohy, hoy ny ankilany”. “Depiote aho Ramatoa fa tsy olom-boatendry ohatran’ny sasany, hoy indray ny andaniny. “Eny hoa, haveriko ary hamafisiko tsy ho Filoham-pirenena mandrakizay ianao ary tsy ho Praiminisitra mandra-pikipin’ny masonao, ary mandiniha tena fa hoesorin’ny olona tsy ho Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena intsony afaka fotoana fohy”. “Fa oviana kay no misy fifidianana azafady”? hoy indray ny setriny. Porofo mitohaka amin’ny tendany izao fa izao no tena tanjonao. Mpamosavy malemy e! ny ato an-trano ihany no haripaka. Omeo ilay porofo satria tsy misy azoko izay tianao ambara?” “Mialà ato amin’ny MAPAR ary mandehana any amin’ny namanao any amin’ny TIM”, hoy ny fiafaran’io resaka io izay natao tamin’ny fiteny Frantsay”.\

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT