Tsy ela fa ny tolakandron’ny alarobia 17 oktobra, ny ampitson’ny nandalovan-dRajoelina tao Antsirabe ihany dia namaly botana ny kabarin’ity farany tao amin’ny Voirie Antsirabe ny mpitarika tao amin’ny Magro Avaratsena.
Nambaran’ny Dr Raharijaona tamin’izany fa mpisandoka sady manalabaraka ny zanak’i Vakinankaratra ny filazan-dRajoelina fa zanak’ity faritra ity ny tenany. Nohamafisiny fa tsy manan-janaka mpanongam-panjakana na havan’ny mpamono olona i Vakinankaratra, ka tsy afaka hihambo ho zanak’io faritra io izy. Mbola namitaka indray i Andry Rajoelina ny talata teo, hoy ihany ny Dr Raharijaona. Nolazainy fa izay teneniny dia tanterahiny avokoa, kanefa aiza izao ny vary 500 Ar ny kilao, ny menaka 2.500 Ar ny litatra hatramin’izao ? Ny mpomba azy no azony fitahina fa tsy ny eto Antsirabe akory. «Naninona no tsy natao tany an-kianja malalaka toy ny atao manerana ny Faritra ny hetsika ?”, hoy ny CT Rakotomiandrisoa Ernest. Naninona no toerana kely tao amin’ny Voirie no sahy nidirana ? Raha tena favy eto Antsirabe dia ny Tsangambato fenoina », hoy ihany izy.
Notsiahiviny ihany koa ilay eson-teny nataon’ny mpanohitra fahiny tamin’ny filoha Marc Ravalomanana ka naveriny fa kamiao ve azo hohanina ? Oniversite ve azo hohanina ? Ary lalana ve azo hohanina ? Mila zavatra azo hohanina ny olona fa sahirana noho ny nataon’ny FAT. Nambarany moa fa efa fampielezan-kevitra no ataon-dRajoelina. Nolazainy fa na omena enim-bolana mialoha aza izy tsy haharesy ny filoha Marc Ravalomanana manao fampielezan-kevitra herinandro fotsiny. Nankahery ireo Zanak’i Dada ny tenany ka nilaza fa ho tapitra ny fe-potoana ka aoka tsy hisy ho taitra fa miandry toromarika fotsiny isika rehetra, fa ny filoha Ravalomanana tsy maintsy tonga eto Madagasikara tsy ho ela.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.