Politique

Vakinankaratra Tsapatsapain’ny FAT


  • Talata 21 Desambra 2010


Manomboka tsapatsapain’ny FAT ankehitriny ny renivohitr’i Vakinankaratra. Tsikaritra mantsy tato ho ato fa iniana atao ao avokoa izay hetsika nasionaly ankalazaina eto Madagasikara. Manamarina izany ny tranga izay niseho vao tsy ela akory izay fa vao ny zoma 17 desambra no nanaovana hetsika nasionaly fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny sembana dia ny alatsinainy 20 desambra dia ministra 06 be izao no nirodorodo nanao piknika namboly hazo tany indray. Anisan’ny toerana tena tsy azoazon’ny fitondrana moa i  Vakinankaratra noho ny fisian’ireo Legalista tsy manaiky izao fitondrana izao mihitsy. Izay no ezahany hitadiavana hirika mafy hatrany. Na dia misy aza moa ny olana sy disadisa eo amin’ny TGV sy ny Lehiben’ny Faritra dia tsikaritra fa avy tamin’ity farany no toa nampiakatra ny vokatry ny fifidianana nataon’ny FAT farany teo, ka angamba anisan’ny antony ihany koa izay fitsidihana matetika izay satria toa tsy azo ailika izy na dia tsy TGV aza. Araka ny re aza moa dia hanomana fety be handraisana ny Repoblika IV mihitsy ny faritra ny andron’ny 31 desambra izao sady fandraisana ny taona vaovao ihany koa. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT