Vakinankaratra

> Izy voafidy depiote MAPAR, ny Fitsarana managadra azy roa taona sazy mihatra


  • Alarobia 05 Martsa 2014

Hafahafa ity tranga miseho any Vakinankaratra ity. Izy voafidy ho solombavambahoaka, ny Fitsarana anefa managadra azy roa taona an-tranomaizina sazy mihatra.

Ny 25 novambra 2013, tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana solombavambahoaka natao tamin’ny 20 desambra 2013 indrindra no namoaka didy ny Fitsarana tao Ambatolampy mamonja azy roa taona an-tranomaizina sazy mihatra. Fanararaotan’andraikitra, mitango vola an-tery, kolikoly, firaisana tsikombakomba amina hosoka ara-barotra no anisan’ny fiampangana nanenjehan’ny Fitsarana azy. Tranga izay niseho talohan’ny nirotsahany ho kandida solombavambahoaka mazava loatra. Nanadihady lalina ny fitsarana, dia io namoaka didy managadra azy roa taona an-tranomaizina sazy mihatra io. Misy olona hafa ihany koa voampanga niaraka taminy. Araka ny fantatra dia nampakatra ny raharaha amin’ny fitsarana ambony ilay voampanga, ka amin’ny volana aprily ho avy io no tokony handeha ny raharaham-pitsarana mahakasika izany. Misy loharanom-baovao milaza indray anefa fa efa voafafa io didy nivoaka io. Sanganehana ankehitriny ireo mpifidy azy sao hitsimbadika ny raharaha. Mipetraka rahateo eto fanontaniana hoe : horaisin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES namoaka ny voka-pifidianana ve ity didim-pitsarana ity ? Raha eny, hailika avy hatrany ve ny lisitra nirotsahan’ilay kandida sa izy izay voasazy no miongana ao Tsimbazaza ka ny faharoa ao amin’ny lisitra fiandry no misolo toerana azy ? Raha any amin’ny tany mandala ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna dia tsy niandry ela fa efa nametra-pialana avy hatrany izany olom-boafidy vaorohirohy ara-pitsarana izany. Andrasan’ny maro, araka izany, ny ho tohin’ity raharaha ity.

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT