Politique

Vahoakan’Iarivo leo jadona Manome 48 ora hanesorana ny ben’ny tanàna


  • Zoma 08 Aprily 2022

Mafampana indray ny toe-draharaha sosialy sy politika eto Antananarivo, ary ahiana hangotraka ny faran’ny herinandro.

 Hentitra ny fanambarana mitaky ny fialan’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina omaly 07 aprily 2022, niraisan’ny vondron’olona samihafa: mponina eto Antananarivo, olom-pirenena, Fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra (FTAR), Mpivarotra, Mpiasan’ny SMA (Société Municipale d’Assainissement), Solontena avy amin'ny MAMIFI na ny Malagasy Mila Filaminana, Solontena avy amin'ny Rodoben’ny mpanohitra na RMDM Tana sy Jeune RMDM, ary ny Natiora Solontena avy amin'ny DIASPORA omaly tetsy Ankazomanga. Mitaky ny fanesorana ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Naina Andriantsitohaina noho ny tsy fahavitany intsony ny asany (fako tsy voaroaka, lalana tsy vita, fitohanana tsy afaka, mpivarotra tsy nahitana vahaolana, hetran- trano midangana, fitadiavana vola tatahoatra amin'ny mponina Antananarivo), hoy ny fanambarana novakian’Atoa Randriamahefamanana Dolanarindra. Tao anatin’ny horakoraka sy antsoantso hoe: “Miala vazaha” no nandraisan’ireo sokajin’olona samihafa an’izany fanambarana izany. “Ankoatra izay, antony itakianay ny fanesorana azy ihany koa ny fanodikodinana ny volan'ny zokiolona sy ny mpiasa malagasy ao amin'ny CNaPS koa takianay ny famerenany manontolo ny vola nalainy tao amin'izany CNaPS izany. Etsy andaniny, tsy ekenay ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volan'ny kaominina Antananarivo ho an'ny tombontsoa manokan'ny ben'ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy. Toherinay ny fanitsakitsahana ny lalàna ka zary lasa manao didy jadona ny ben’ny tanàna. Kianinay mafy ny fivadihany amin'ny teny nomeny na tamin'ny mponina Antananarivo izany, na tamin'ny mpitatitra, na tamin'ny mpivarotra”, hoy ny fanambarana. Noho ireo antony voalaza teo ireo sy ny marobe tsy ary ho voatanisa, dia nanamafy hatrany hatrany ny fitakiany ny fanesorana ben'ny tanànan'antananarivo izy ireo.
FE-POTOANA 48 ORA
Nanome 48 ora ny Mpitondra Fanjakana hirosoana amin’io fanesorana ny ben’ny tanàna io ireo vondron’olona tao anatin’ny fanambarana, ary hentitra nilaza fa ho avy masiaka hirohotra etsy Analakely, raha tsy mivaly ny fitakiany. “Raha tsy tanteraka izany dia hiara-hientana hitaky ny fanesorana ny Ben'ny Tanana eny Analakely izahay ny sabotsy 09 aprily izao amin'ny 10 ora, ary manentana ireo rehetra maheno izao antso izao mba hiara-dalana aminay fa tolona irasain'ny mponina Antananarivo ity. Manantena ny fahatongavan-tsainan'ny Mpitondra izahay ka hihaino sy hamaly izany hetahetan'ny mponina Antananarivo izany”, hoy ny fanambarana hentitra. Andrasana izay hiseho rahampitso, ny azo antoka aloha dia tsy hanala ny ben’ny tanàna izany ny Fitondram-panjakana. Ny andaniny manambana hihetsika rahampitso raha tsy mivaly ny fitakiana. Mazava fa mety hangotraka ny toe-draharaha, raha samy hitazona ny heviny ny andaniny sy ny ankilany. Tsara ny mampahatsiahy, fa tapitra omaly ny fe-potoana nomen’ny Fikambanan’ny Taxi ny Fanjakana nanomboka ny 26 martsa teo mba hanesorana ny ben’ny tanàna, ary io niampy io ny vondrona miray feo amin’izany. Andrasana izay hiseho!
Toky R
Légende: Nandritra ny fanambarana niainga tetsy amin’ny Foiben’ny FTAR Ankazomanga omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT