Politique

Vahoaka Malagasy Tratry ny fanabadoana manara-penitra


  • Alakamisy 19 Mey 2022

“Ny fanabeazana no fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra raha te hampandroso firenena”, hoy i Nelson Mandela, ilay mpitari-tolona niady tamin’ny fanavakavaham-bolon-koditra, ary efa Filoham-pirenena Afrikanina Tatsimo teo aloha.

Tsy hisy fampandrosoana sy fandrosoana vanona izany raha marefo ara-pahaizana sy fahalalana ary fahatakaran-javatra ny vahoaka maro an’isa ao aminy. Tsy resaka diplaoma mirarakopana io, fa na hivim-pandinihana hahay hamakafaka ny mahasoa sy ny tsy mahasoa fotsiny aza, dia efa tena zava-dehibe. Mila manaraka ny raharaham-pirenena sy ny raharaha politika noho izany ny vahoaka. Ny eto amintsika kosa tsy vitan’ny ampahantraina, fa habadoina hatrany mba ho mora ampiesonina. Tezaina ho zatra tolorana, ampanantenaina zavatra mora azo sy tsy mila miezaka dia tafita amin’ny fiainana, raviravizana fakofakom-pandrosoana tsy mifanaraka amin’ny zavatra iainany sy ny tokony hahasoa azy kokoa. Ara-politika, ara-kolontsaina, ara-toekarena, dia nosimbaina sy notezaina tsy hahalala izay ambonin’ny tany ny vahoaka. Nofendrofendroina tamin’ny politikan’ny ory hava-manana tany amin’ny taona 2009 ka namporisihina namotika ny Malagasy mitovy aminy, hany ka ny vahiny no zary nomena sehatra hisosoka hifehy ny toekarena eto. Sady nopotehina ara-kolontsaina no nosimbaina ara-toe-tsaina, izay tsy voaarina mandrak’ankehitriny. Nihasimba tamin’ny lafiny rehetra, niha fadiranovana, nihabado,… hany ka zary mora ampiesonina sy ampanantenaina poakaty. Mora kokoa ny mampiesona sy mampanantena paradisa ny vahoaka marefo sy noana, ka vao ampanantenaina poakaty sy zava-baovao dia iny fa roboka. Tsy manam-pidiny, fa zary lasa vidian’ny mpanao politika amin’ny vary kely sy entana tsy mankaiza, raviravizana volakely tsy mahavita taona 10 000 Ar hatramin’ny 30000Ar amin’ny fifidianana,… dia iny fa manaiky izay atao azy, toa ireny tsy tompon’ny tenany ireny. Fanaon'ny Romana fahiny ilay manao adina gladiatera ao amin'ny coliseum dia sady fampisehoana na “spectacle” no tsipazana mofo ilay vahoaka, dia faly ery. Mody any an-trano avy eo miverina amin'ilay fahasahiranana. Ny fitantanana ny fanjakana amin'io efa hanjakan'ny kolikoly isan-tsehatra. Politika resaka anaty lapa fotsiny. Toa tsy kisendrasendra ny nananganana “colisée” teny Anatirova raha tarafina amin’ny kolontsaina sy endri-panabeazana politika entina ankehitriny. Tena fanabadoana manara-penitram.
MANAIKY LEMBENANA, HARARAOTINA AMIN’NY FAHALEMENY Raha misy angamba loka ho an’ny vahoaka mahari-pery indrindra, dia voalohany raha tsy faharoa ny Malagasy. Manaiky lembenana hatrany izay hadalan’ny mpitondra. Mimenomenona sy manakiana kely eo dia vitavita ho azy. Efa voarefin’ny mpitondra io hoe: hatraiza ny fetran’ny fanaiken’ny Malagasy lembenenana ka araraotiny. Efa nahazo lesona tamin’ny voka-dratsin’ny 2009 ny Malagasy, ary ny Fanjakana ihany koa mivoy ny hoe: tsy zaka intsony raha izao no misy krizy sy fidinanana an-dalambe. Ny manahirana anefa dia ny ataony ihany no ataony, ny kolikoliny mitohy, ny fitondran-tena mamohehitra mbola eo hatrany, ny filazana lainga sy fitaka moa manginy fotsiny. Araka ny fandinihan’ny siantifika, rehefa maty voky na maty noana ny vahoaka dia tsy mihetsika sy manaiky hatrany, ka ilay faharoa io no iainana eto ankehitriny.
(sary fanehoana)
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT