Miandrandra fiarovana ny tanindrazana avy amin`ny fitondram-panjakana ny vahoaka Malagasy amin` izao fotoana izao.
Ny zava-misy anefa dia ny fanjakana antenaina hanampy indray ity no mamotika ankehitriny. Teboka maromaro no azo hanaovana fanamarihana manokana: voalohany, fanakatonana orinasa. Niteraka mpiasa tsy an` asa an` alina teto amin` ny firenena ity krizy ara-pahasalamana lalovana ity. Etsy ankilany dia ny fitondrana indray no manidy orinasa, izay nambarany, fa tsy manara-dalàna toy ny AAA-Tiko fa manana olana ara-taratasy amin` ny fitondrana toy ny tsy fandoavan-ketra araka ny nambaran` ny DGI. Torak` izany n yeo anivon` ny CUA izay manohy hatrany ny fanagiazana ny entan` ireo mpivarotra toy ny fandraofana ny henan` ireo mpivaro-kena izay mba hany fivelomany sy hamelomana ny malagasy sasany. Faharoa, ny fanjakana dia miziriziry hatrany amin` ny fandoavan-ketra avy amin` ireo orinasa maro, izay marihana fa mavesatra azy ireo izany indrindra amin'izao toekarena mbola tsy miarina akory. Betsaka ny fahasahiranana mianjady amin` ny Malagasy amin'izao aretina izao. Miaraka miafy, miharitra, miady ity aretina ity ny Malagasy. Noho izany, anjara andraikitra lehibe ho an'ny mpitondra ny manampy sy mikaroka lalana hanafahana ny Malagasy ao anaty fahantrana lalina nateraky ny aretina,izay tokony harenina aorian'ny Covid 19.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.