Politique

Vahoaka Malagasy Heverin'ny filoha fa mandeha amin'ny herin'ny masoandro ve ?


  • Alatsinainy 18 Mey 2020

Mitohy ny hamehana sy ny fepetra rehetra mifanaraka amin’izany. Ho henjana ny sazy ho an’izay manao tsirambina, hoy ny Filoham-pirenena.

 Tsy nisy na kely monja aza ny resaka sosialy. Ny tena vahaolana ara-toekarena voazava. Adinon’ny Filoham-pirenena tanteraka ny fahasahiranam-bahoaka efa roa volana. Heveriny fa efa ampy angamba ny tosika fameno ho ana ampahan’olona tsy ampy 5% akory amin’ny vahoaka sahirana. Mihantra ny fepetra hentitra mametra ny fahalalahan’ny isam-batan’olona sy ny asa fihariany. Voageja tsy afaka mamokatra araka ny tokony ho izy ny orinasa sy ny sehatr’asa samihafa. Tsy misy vahaolana mafonja avy amin’ny fitondram-panjakana anefa fa dia hoe mila mihafy na maty noana aza ny valalabemandry. Ny hoenti-manana ara-bola tamin’ny alalan’ireo fanampiana sy fampindramam-bola tamin’ny anaran’ny Malagasy, toa manjavozavo tanteraka ny fitantanana. Ny fanazavana nentina minisitra iray ao anatin’ny governemanta aza moa, dia toa nambara fa hampifandanjana ny volam-panjakana ny 444 tapitrisa dolara avy any ivelany. Tsy vitan’i Madagasikara ny hanao fihibohana tahaka ny any ivelany, izay misy ny tetibola goavana haompana amin’io, saingy tokony hahavita izay vitany ilay efa voasoratra ho an’ny toekarena sy sosialim-bahoaka, saingy toa lasa any amin’ny làlan-kafa. Na izany aza tsy vitan’ny hoe mihiboka na hamafisina ny fepetra dia milamina. Sao sanatria heverin’ny Filoha ho mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny olombelona ka velombelom-poana?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT