Politique

Vahaolana hafahafan’ny fitondrana Hanafatra minisitra sy mpiasam-panjakana no hiafarany


  • Talata 02 Aogositra 2022

Hanafatra minisitra sy mpiasam-panjakana koa angamba isika no hiafarany, hoy ny vazivazy zaritenan’ny mpanara-baovao ao anaty tambazotran-tserasera ao.

Afarana ny entana ilaina an-davan’andro na PPN. Hafarana ny lasantsy. Izao dia hoe hanafatra “bus” koa. Ho afarana hatramin’ny mpampianatra mpikaroka koa. Asa hoe manana fari-pahatakarana na fari-pahaizana hitsara ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra izay efa manana diplaoma Bacc+5 fara faha keliny eny amin’ireo anjerimanontolom-panjakana ve ny filoham-pirenena sy ireo mpiara-mitondra aminy no afaka ahita fa tsy ilaina izy ireo fa aleo mpampianatra avy any ivelany no afarana? Na ny tekinolojia nisy tamin’ny 1920 aza mbola tsy tratrantsika, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra, nefa hoe firenena mpamboly isika. Mbola mamadika bainga amin’ny angady foana. Hafahafa ilay fomba famahana olana, hoy hatrany ny voambara mikasika ny vahaolana hafahafan’ny fitondrana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT