Politique

Vahaolana amin’ny krizy Mandroso an’i Mangalaza sy Ranjeva ny FRDL


  • Alatsinainy 10 Janoary 2011

Totoafo ny fivoriana sy fifanantonana ataon’ny firehana politika eto an-toerana arahina fanambarana samihafa amin’izao ankatoky ny fananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena izao.

Manana ny azy ary nandroso volavola soridalana hivaohana amin’izao krizy izao koa ny Front Républicain et Démocrate Légaliste (FRDL), tarihin’i Tonton Ambroise, izay nampahafantarin’izy ireo ny sabotsy teo nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny foiben-toerany eny Antsalovana. Tamin’izay no nilazan’ity antoko ity fa tokony hifototra amin’ny fihavanana tena Malagasy ny fananganana governemantan’ny tetezamita iraisana, tenierana ary eken’izao tontolo izao. Izany anefa ho ny FRDL dia mitaky fitoniana amin’ny alalan’ny famoahana ireo gadra politika rehetra na sivily io na miaramila hatramin’ny nanombohan’ny krizy.

Atsahatra ihany koa ny fisambosamborana noho ny antony politika, sokafana ireo haino aman-jery nakatona, ary aoka halaka ny asa fanaovan-gazety sy fanehoan-kevitra. Mitaky ny hampiharana tsy misy hatak’andro ireo fifanarahana sy fifanekena iraisam-pirenena izay tsy afa-misaraka amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara, ihany koa ny FRDL ary manohitra ny tsy fahaiza-mitantana, ny fanosihosena ny zon’olombelona sy ny demokrasia nateraky ny fandrombaham-pahefana nataon’ny FAT teto ny 17 martsa 2009. Ny fampiharana ireny anefa dia manilika avy an’i Andry Rajoelina sy i Camille Vital amin’ny fitantanana ny firenena. Eo anatrehan’izay dia manolotra an’i Mangalaza Eugène ho Praiministra lehiben’ny governemanta ary hanao ny asan’ny filoham-panjakana hanoloa azy ireo mandritra ny fanelanelanana ataon’ny CNOSC sy ny GIC-Madagasikara ny FRDL. Soloina olom-baovao manaraka izany koa ireo mpikambana amin’ireo rafitra rehetra najoron’ny FAT.

Raha ilaina kosa ny hananana filohan’ny Repoblika tsy miandany hitantana ny tetezamita vaovao dia manolotra an’ny Pr Raymond RANJEVA ny FRDL. Ankoatra izay dia tokony ho tazomina ireo hevitra fototry ny satan’ny soatoavina sy ny satan’ny tetezamita tany Maputo, ka Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita no rafitra mpanao lalàna, hoy ity antoko ity. Hajoro ho rafitra fankan-kevitra kosa ny Voamieram-pirenena misahana ny fampihavanana, ka ny Pr Zafy Albert no hitarika azy. Hajoro ho isan’ny rafitra fakan-kevitra koa ny Fitsarana avon’ny tetezamita, ny Filankevitra ara-toekarena sy sosialy, ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana ary ny Komity manokana handinika ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Eo anatrehan’izany dia ovaina tanteraka kosa ny fitsinjarana toerana voarakitry ny sata tovana tany Addis Abeba. Ary tsy misy mahazo milatsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny mpikambana ao anatin’ny governemanta.

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT