Mirona mankany amin’ny fampihaonana ireo filoha telo voafidim-bahoaka, Didier Ratsiraka, Zafy Albert ary Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT amin’izao fotoana izao, Andry Rajoelina, ny fanapahan-kevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Araka ny loharanom-baovao dia tsy haharitra ela fa hotontosaina amin’ity volana desambra ity izany ary eto Madagasikara no hanaovana azy. Misy ny fepetra rehetra mifanaraka amin’izany ka mikasika ny filoha Ravalomanana dia ny SADC no hiantoka ny fiarovana azy. Ireo masoivohon’ny firenena vahiny eto amintsika moa no nanapaka izany niaraka amin’ny SADC.
Fantatra ihany koa anefa fa misy firenen-dehibe iray izay miara-miasa akaiky amin’ny FAT ankehitriny no tsy maneho hevitra mihitsy nandritra ireo fivorian’ny masoivoho maro niaraka tamin’ny SADC. Na izany aza, dia fantatra fa efa nanaiky ity tolo-kevitra entina hamahana ny olana ity ny avy amin’ny FAT. Tsy fantatra indray anefa izay mety ho fiovan-kevitra amin’ny ora farany satria malaza amin’io fivadibadihan-kevitra io Rajoelina, filohany. Raha tsy hilaza afa-tsy ny fifanarahana izay efa vita sonia im-betsaka hamahana ny olana kanefa nolavin’ity farany rehefa tonga teto an-tanindrazana. Omaly no nandao an’i Madagasikara ny iraky SADC notarihin’ny Dr Leonardo Simao. Nambarany talohan’ny niaingany fa misy finiavana politika eo amin’ny andaniny sy ny ankilany, mpitondra sy mpanohitra, hamahana ny krizy. Hanao tatitry ny diany eo anivon’ny SADC naniraka azy ny Dr Simao, koa dia ho hita eo ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.