Politique

TTM Ambatondrazaka Fanamby ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana


  • Alarobia 15 Desambra 2010


Nandritra ny fankalazana ny tsingerintaona faha-61 nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana, ny 12 desambra, no nilazan’ireo mpiara-mitolona eo anivon’ny fikambanana Tia Tanindrazana Mandresy (TTM) fa ny tanjona tsy mbola miova dia ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana eto Madagasikara. Ireo rehetra nandaha-teny tamin’ny alahady lasa teo dia samy nametraka ny fanantenana ny amin’ny hahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana tsy ho ela. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nentin’ireto mpomba ny filoha teo aloha ireto niseho vahoaka indray rehefa somary nangingina nandritra ny fotoana naharitra. Betsaka no tsy nino fa havory olona indray ny mpanohitra ao Ambatondrazaka. Na teo aza ny fanakiviana nataon’ny olona sasany, tsy nihemotra ireo nahatsapa ny zavatsoa vitan’ny filoha Ravalomanana fa niezaka nanao izay hanatanteraka ilay fankalazana ny tsingerintaona nahaterahany. Niditra an-telefaonina nampahery ireo mpiara-mitolona ny solontena ny GTT any Marseille. Fizarana mofo mamy no nentin’izy ireo namarana ny fotoana tamin’ny alahady teo io.

Niry R.
Sary : Hetsiky ny Tia Tanindrazana Mandresy Ambatondrazaka ny alahady 12 desambra 2010

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT