Omaly no tokony ho nofotorana teny amin’ny zandary Ankadilalana ny Kaomandŕ Roger Luc.
Afak’omaly izy no efa nantsoina saingy tsy mbola nanoina ny antso izy hatramin’ny omaly. Ny lehiben’ny toby RFI, ny kolonely Sedera kosa no tonga teny Ankadilalana nilaza ara-pomba ofisialy fa marary ny kdà Roger Luc ka tsy afaka ny ho henoina aloha. Taorian’izay dia fantatra fa nanapa-kevitra ny eny anivon’ny zandary fa hatolotra ny fitsarana ity raharaha ity anio na rahampitso farafahatarany. «Ny famotorana tsy afa-miandry», hoy ny feo re avy eny Ankadilalana. Ny dikan’izany tsy hoe vita hatreo ny famotorana an’ity Kaomandà ity fa tsy maintsy hisy ny «dérogation judiciaire» tsy ho ela hanaovana famotorana azy indray.
Omaly ihany dia tonga teny an-toerana ny avy amin’ny Croix Rouge Iraisam-pirenena nijery ny fahasalaman’ireo miaramila voatana ao. Ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina no hita nivoaka teo antokotanin’ity toby ity omaly ary hita fa salama tsara. Tonga nijery azy teny ny ministry ny jono sy ny harena andranomasina, ny lietna-kolonely Mandeha tsara Georget. Tsy afaka niresaka nitokana anefa izy ireo, fa natrehina zandary. Iray andiany tao amin’ny indray mihira faha-19 nivoaka tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe rahateo izy ireo no samy zanak’i Manakara, Vatovavy Fitovinany ihany koa. Mikasika ny Kaomandà Roger Luc kosa dia tsy maintsy hohenoina amin’ity raharaha ity izy araka ny loharanom-baovao. Voalaza mantsy fa betsaka ireo zavatra ilana fanazavana aminy mikasika iny tranga toa hafahafa teny amin’ny BANI iny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.