Politique

Tsy noraharahian'ny governemanta Miady irery i Lalatiana Rakotondrazafy


  • Zoma 10 Septambra 2021

Resabe efa efatra izao ny momba ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy mivady sy ny Mpanakanto malaza Mr Sayda.

 Samy manana ny handikany azy, ary iny re omaly iny fa nitory an’ilay fampahalalam-baovao tondroiny ho manala baraka sy manely vaovao tsy marina momba azy ireo ity minisitra ity sy ny vadiny. Tsy nitsitsy moa io gazety io, ka isan’ny nisongadina ilay lohateny hoe: “Lalatiana Rakotondrazafy Minisitra Mama sôsy”, “Lalatiana Rakotondrazafy, Le scandale sexuel lui explose à la figure”,… Omaly dia nampiarahana tamin’ny sarin’ity Minisitra ity sy ny mpanakanto Mr Sayda ny lohateny hoe: “Lalatiana Rakotondrazafy: Ça fait mal quand ça arrive à soi…,”. Niparitaka ny sary, izay samy nanana ny nandraisany azy ny rehetra. Tsy afaka ny hanamarina na handiso an’ireny isika hoe: mpifaninona marina, fa samy manana ny handikany azy kosa ny mpikirakira tambajotran-tserasera. Any amin’ny tohin’ny raharaham-pitsarana ihany koa no andrasana, fa tsy nifampitsitsy ny andaniny sy ny ankilany hatry ny omaly. Somary manahirana ny hiditra lalina amin’ny maha fiainan’olona manokana azy, saingy ny tsy azo hadinoina ihany koa anefa amin’ny lafiny iray dia olobe ao anatin’ny Fanjakana, Minisitry ny Repoblika, “personnalité publique” Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy fa tsy olon-tsotra. Eo indrindra, tsikaritra ho tsy misy ny firaisan-kiana ao anatin’ny governemanta momba ity toe-javatra mahazo ny olony ity. Na ireo mpitondra ambony isan-tsokajiny aza tsy tena naneho firaisan-kiana, fa ny depioten’ny Freedom Atoa Fetra Rakotondrasoa sy ny Depiote Rossy ary Rtoa Rinah Rakotomanga ihany no tena naneho fanohanana sy tsy fankasitrahana nahazo ity Minisitra ity. Tsy minisitra tsotra, fa mpitondra tenin’ny governemana no lasibatra, ary manizingizina fa tsaho ny nahazo azy. Tsy resy lahatra amin’ny ambaran-dRtoa Lalatiana ve ny governemanta? Manampy trotraka an’izany, ny vadiny dia Sekretera Jeneralina Minisitera. Voahoso-potaka ihany koa zany raha hoe tsaho. Nahoana no tsy niteny toa ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ny minisitera misy azy na ny mpiasa tao? Raha raisina amin’ireny, dia misy amin’ny TGV-MAPAR, ka mitazam-potsiny ny fahavoazan’ity minisitra ao anaty governemanta ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT