Politique

Tsy misy zavatra mandeha intsony Mamofompofona “veloma Rajoelina…”


  • Zoma 17 Jona 2022

Tsy finiavana hitsikera na hisintona lakolosy fa latsaka an-davaka tanteraka ny firenena. Mampikaikaika ny zava-drehetra: delestazy lavareny, vidim-piainana mampikolay, fitsaram-bahoaka manomboka tsy voafehy,

fahapotehan’ny làlana, grevy etsy sy eroa noho ny tsy fahazoana karama sy tambin-karama,… Ny krizy hateraky ny mety ho fidangan’ny vidin-tsolika mbola loza mitatao, ny fahapotehan’ny asa fihariana sy fandraharahana noho ny delestazy miteraka fatiantoka iray lavaka, ny tsy fandriampahalemana na an-tsaha na an-tanàna tsy voafehy,... Potika ny làlana makany aminay, vidiana avo folo heny ny entana ilaina andavanandro, miala tsiny fa mba halaivo sary an-tsaina hoe: halatra mangahazo aza any aminay dia efa hanaovan’ny olona fitsaram-bahoaka, hoy ny depiote IRD iray. Eo ny krizy iraisam-pirenena izay miseho, fa fositra ny tsy fahaiza-manao sy tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Tsy niomana ary tsy nametraka ho laharam-pahamehana ny fanarenana ara-toekarena sy ara-tsosialy ny Fanjakana Rajoelina, fa ny haitraitra sy ny seho ivelany hatrany no tena nihazakazahana, mbola miharo fanjakana ratsy tantana. Ireny niaraha-nahalala ireny ny tatitry ny Fitsarana mikasika ny fandaniana ny volabe 1818 miliara Ar famatsiam-bola tamin’ny coronavirus, izay voalaza fa feno tsy fangaraharahana ary ahiana ny kolikoly avo lenta. Nahavita nanampy ny orinasa sy indostria tao aminy ny firenena maro, fa ny teto kosa tao nanampy ny tao am-paosiny. Ny orinasam-panjakana ratsy tantana sy toa atao tantely afa-drakotra: potika sy rava ny Air Madagascar ary minisitra ao anaty fitondrana ihany no milaza fa tsy hita ny nalefan’ny 5 tapitrisa dolara, potehina sy kasaina hovidiana mora,… Ny CNaPS ahiana ho banky ropitra. 300 miliara Ar ny vola tao tamin’ny Tale Jeneraly teo aloha fa mba firy miliara amin’izao? Hoy ny mpamakafaka iray. Sady ratsy tantana no tsy tena mifanaraka amin’ny filam-bahoaka ny laharam-pahamehana. Hitondra inona amin’ny toekarena, ohatra, ny kianja manara-penitra nihazakazahana nanangana isaky ny faritra nandaniam-bola be? Ny fihetsiky ny Fitondrana anefa mbola miendrika fandranitana sy filibana toa maneso vahoaka. Tena mety sy mifanaraka amin’ny zava-misy ve ny hoe: fanombohana fanamboaran-dàlana hanaovana hetsika be hakana artista maro, hitondrana delegasionina handaniam-bola tsy toko tsy forohana,… Manodidina ny 450 000 000Ar eo ny fandaniana raha ny kajy ambany nataon’ny mpandinika iray izay nametra-panontaniana mihitsy hoe: Tsinjaka vody sa sekoly iray no tsara kokoa ?
SADY MIADY AN-TRANO NO MIHANTSY ADY
Ara-politika, ny ao anaty Fitondrana aza toa efa tsy voalamina intsony, miharihary ny ady an-trano miseho amin’ny endriny samihafa,… Ny ekipa aza tsy voalamina mainka fa firenena? Manampy trotraka izany, mbola mahavita manao fihantsiana ady sy hetraketraka ara-politika: fampanantsoana eny amin’ny Bianco sy ny fitsarana, fanagadrana mpitarika politika, fanakanana fameloma-maso ny antokon’ny mpanohitra,… Raha ny volomboasary no teo amin’ny fanoherana mety efa nirefotra ny grevy, saingy ahiana hitamberina aminy ny natao taloha ka mety ho avy ny hoe:: “Veloma Rajoelina” mety hiseho amin’ny fipoahana ara-tsosialy sy ara-politika, na koa any amin’ny latsa-bato ara-pifidianana. Efa manomboka miseho ny fambara rehetra maneho fa ho sarotra amin-dRajoelina ny mbola ho lany amin’ny 2023.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT