Misamboaravoara ny toe-draharaha politika ao anatin’ny Fitondrana sy ireo heverina fa mpiara-dia amin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.
Misoko mangina ny tetikady politika avo lenta, toa mizotra makany amin’ny fandemena hatrany an’io Filoha io. Tsy ny mpanohitra no mety ho lasa fahavalo na mpifanandrina politika aminy voalohany, fa ny avy ao anatiny ihany. Sahirana i Andry Rajoelina amin’ny fanapahan-kevitra goavana raisina, raha tsy hilaza afatsy ny tamin’ny fikitihana governemanta farany teo. Tsy sahy nikitika olona maro, ka loha laharana amin’izany ny Praiminisitra Ntsay Christian. Saika hoesorina ity farany raha ny tsiliam-baovao, saingy misy ny tahotra, ka notazonina na efa misy amin’ireo olon’ny TGV/IRD/MAPAR aza no tsy mankasitraka loatra ny mbola hijanonany eo. Ity farany izay efa taorian’ny tolon’ny depiote 73 no tsy nankasitrahan’ny depiote IRD. Nafampana hatrany ny fikasana hanao fitsipaham-pitokisana tao anatin’izay 4 taona izay, saingy miovaova ny politika. Misy ny tsindry na avy ato anatiny na avy any ivelany amin’ny hitazonana ity Praiminisitra ity, ary na ireo depiote IRD/MAPAR aza manomboka maro no re fa efa hafa ny baiko politika raisiny. Voalaza fa misy olobe mpanefoefo tsy zoviana amin’ny maro eto amin’ny tany sy ny Fanjakana izay naman’ny Praiminisitra hatry ny ela, na tsy manana fahefana ara-panjakana aza, manana fahefana ara-bola izay isan’ny mibaiko ny politika. Azo sokajiana ho manao ny mafana sy ny mangatsiaka eto, ka na maneho fa manohana an-dRajoelina aza, mety miomana sy manomana drafitra hafa na “Plan B”. Raha toa ka nesorina teo ny Praiminisitra ankehitriny, dia voalaza fa io no mety ho kandida hotohanan’io mpandraharaha goavana voasokajy ho tompon’ny fanalahidy io eto amin’ny tany sy ny Fanjakana io amin’ny 2023, ka izay no heverina ho nampifitsaka ny Filoha ankehitriny. Tsy mandehandeha ho azy, fa na ireo olom-boafidy TGV/MAPAR aza maro no voalaza fa efa mirona kokoa any an-kafa na misabaka ara-politika.
AHIANA HIVERINA NY MAPAR 1, 2, 3
Tsy vao izao no nisiana famadihana ara-politika tao anatin’ny MAPAR. Ahiana hiverina ny hiverina ny sary tamin’ny andron’ny Fitondrana Rajaonarimampianina nisian’ny MAPAR 1, MAPAR 2, MAPAR 3,… noho ny resaka tombotsoa sy kajikajy ara-politika. Fahita eto ny fitsimbadihana ara-politika tao anatin’ny tantara maro, ary isan’ny nanafaingana ny faharavan’ny fitrondrana iray ny fisian’ny olona avy ao anatiny mamadika izay endrika maro no isehoan’io famadihana io. Fahita eto ny tsy fitaingenana soavaly maty, adino ny foto-kevitra rehefa mitady ho rendrika ny sambo, ka tsy ny etika intsony no mitondra azy rehefa mafy ny ady.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.