Mitana ny sain’ny maro ilay fihetsika nataon’ny Depioten’Ambilobe sy ny
Sekretera Jeneralin’ny kaominina niady sy nifamono tao anaty birao, izay niparitaka tamin’ny tambajotran-tsetra. Afa-baraka tanteraka satria olom-boafidy, solombavambahoaka no manao toetran-jiolahim-boto mivoaka ho fanta-bahoaka. Tsy vao sambany no nisy tranga tahaka io, fa efa nisy ihany koa ilay fihetsika nataona depiote IRD tany Antsiranana tamin’ny volana martsa 2020. Nifamaly imasom-bahoaka sy nifanao taim-bava tamina ben’ny tanàna, nisikotra orona polisy monisipaly izay miendrika fanambaniana, sanatria toy ny ady an-tsena. Nivoaka ho fanta-bahoaka ihany koa ny fifamaliana teo amin’ny Tale Jeneralin’ny seraseran’ny fiadidian’ny Repoblika sy ny depioten’Ikongo, izay misy ny vava be sy tonga hatrany amin’ny hoe miala tsy ho MAPAR sy ny resaka famoahana dosie,…. Fifandrifian-javatra ihany ve ireny sa efa endrika tsy fahazakana fahefana? Malaza tato ho ato ny resaka olom-boatendry sy olom-boafidy, ary hatramina minisitra Hajo Andrianainarivelo ao anaty governemanta aza no namoaka vava hoe tsy ny olom-boatendry no hisekoseko hanindry olom-boafidy eto mantsy ireo olom-boatendry sasany akaiky ny Filoha. Efa endrika ady an-trano sy fikorontanan’ny Fanjakana ny zavatra tahaka izao. Ho sahirana I Andry Rajoelina satria samy olona ireo amin’ny ankampobeny.
SAMY TE HO LOHANY ?
Miharihary ny tsy fahazakana fahefana, hany ka mandeha ny herisetra, ny fifanaovana vava be,… Miady ho akaiky ny Filoha, misy mahatsiaro ho voailika,… fa ny azo hamehezana azy, dia misy ny lonilony, misy fampisehoana tanjaka,… Ny Depiote Rossy efa namoaka vava fa ireo solombavambahoaka no niady nahatongavan’io Fanjakana io teo tamin’ny tolon’ny Depiote 73, ka tsy ny olom-boatendry no hanindritsindry ny olom-boafidy, ary nilazany fa manohana an’i Depiote Brunelle izy ireo. I Norbert Lala Ratsirahonana nampitandrina ny volana janoary 2020 mba tsy hisetrasetrana sy hanilikilihana ny olom-boafidy AVI,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.