Tao anatin’ny 3 andro niverenan’ny fihibohana tapak’andro izao no nahitana fa sarotra ho an’ny olom-pirenena ny tsy hifanaretsaka amin’ireo toerana fitadiavany isan’andro. Isotry, 67ha, Ambanidia,
izay aleha rehetra feno olona avokoa, indrindra, mialohan’ny hahatongavan’ny amin’ny 12 ora. Raha tsiahivina anefa ny fepetra nasaina narahana dia ny hoe izay olona iray isan-tokantrano miantsena ihany na ireo mitondra tsy salama any amin’ny toeram-pitsaboana no tokony hivoaka saingy raha mijery ny zava-misy dia mampanontany tena hoe ny mifamadika amin’izay ve no ren’ireo olompirenena? Rehefa mijery izay hita eny an-dalana eny dia toy ireny olona iray ireny indray no mijanona isan-tokantrano. Ny azo andravonana ny valin-tenin’ireo olompirenena hatreto aloha dia ny hoe “noana ny vahoaka”, “ny ho hanina anio tadiavina anio!” ny an’ny sasany aza hoe “tadiavina rahampitso”. Ny fepetra mifandrindra amin’ny zava-misy hanamaivana ny fahasahiranan’ny olom-pirenena, ela vao mipaka amin’ny isam-baravarana, hoy ny fanehoan-kevitr’ilay mpandraharaha iray izay. Fidiny ho an’ny olom-pirenena ve ny tsy haharaka an-tsakany sy an-davany ny fepetra sy baiko apetraky ny mpitondra? Mila mandini-tena ny mpitondra fanjakana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.