Politique

Tsy fahasalamana hono Lasa any ivelany ny tompon’ny kaompania STA


  • Alatsinainy 18 Janoary 2021

Nanaitra ny manodidina sy ny mpandalo ny nahita fiara mpitondra marary na « ambulance »

 

 niisa telo be izao ny zoma 15 jaonary teo nijanona vao maraina nanoloana ny trano iray teny Marivolanitra, avaratr’Andohalo. Ora vitsy taorian’io, dia fantatra fa vehivavy iray tao amin’io trano io no voalaza fa tratry ny tsy fahasalamana ka nalefa maika hotsaboina (EVASAN : Evacuation sanitaire) atsy amin’ny nosy La Réunion. Tsy iza io fa ny vadin’Atroa Biny Gilbert, ilay vazaha mpandraharaha tompon’ny Kaompania anabakabaka STA, izay misy ilay fiaramanidina 5R-ASB nahatrarana ilay volamena 73,5kg tany Afrika Atsimo ny 31 desambra 2020. Ny sidina 5R-AMR an’ny kaompania STA no nitondra azy. Niainga teo Ivato ny zoma tamin’ny 9 ora sy 12min niazo an’i Pierrefonds tanàna iray ao andrefan’ny Kaominina Saint-Pierre. Dimy ireo olona tao anatin’ity fiaramanidina ity, teo am-piaingana.

LASA IHANY KOA I GILBERT BINY
Omaly alahady dia re fa nalefa EVASAN ihany koa i Gilbert Biny, ary efa ny zoma taorian’ny nandefasana ny vady andefimandriny no nandeha io resaka io. Tena antony ara-pahasalamana tokoa ve sa misy antony hafa toy ny hoe fifandraisany amin’ilay raharaha trafikana volamena, ohatra ? Taorian’ilay fotoana nitondrana ny vadiny no nilatsaka ny fanapahan-kevitra ny ACM, fa miantona ny sidina manokana iraisam-pirenena ary tsy maintsy mahazo fahazoan-dàlana mialoha ny EVASAN. Midika ve izany fa nahazo fahazoan-dàlana manokana taorian’ny fanajana fepetra hentitra izany i Gilbert Biny, arak’ilay naoty navoakan’ny ACM.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT