Nampisavoritaka saim-bahoaka ilay resaka andro tsy fiasana izay fankalazana ny fetin'ny mpino silamo Eid Al-Fitr, izay efa namoahana didim-panjakana N°2019-191 ny 22 febroary fa andro tsy iasana fa andraisan-karama anio 4 jona.
Nilaza ny mpanaraka ny finoana silamo andro vitsy nialohan’io fa miankina amin’ny fahitana ny volana io, ka mbola nampisalasala na ho 4 na ho 5 jona. Navela hiroaroa saina ny olona, nisavoritaka ny rehetra indrindra fa ny mpiasa. Tsy foana ilay didim-panjakana tsy nofoanana, fa nisy ny fampitam-baovao navoakan’ny Minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy niampy ny fanambaran’ny Praiminisitra efa omaly fa ny 5 jona indray no andro tsy iasana fa andraisan-karama. Tsy nisy ny didim-panjakana ofisialy nanafoana ilay navoaka ny 22 febroary fa ny “communiqué” izany no nandrava azy. Tsy fahaiza-mitantana sy petatoko tsotr’izao! Maro ny orinasa nikorontana satria efa nisy fandaminana samihafa natao mialoha. Ho an’ny tontolon’ny fanaovan-gazety, ohatra, dia efa nisy ny fanapahan-kevitra nataon’ny orinasa sasany fa tsy hamoaka gazety anio. Tao ny mpiasa efa nody no nantsoina indray, ary nisy ny tsy afa-niverina tamin’ny fanapahan-keviny. Ny orinasa sasany efa nandà ny kaomandin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpanjifa,… Ny resaka fampianarana moa, dia nisavoritaka satria ao ny tompon’andraikitra efa nilaza fa ny 04 jona no tsy mianatra, ao nanova ny fanapahan-kevitra ho ny 05 jona,… Niharihary ny tsy fahamatoran’ny fanjakana, ka toa ohatry ny kilalaon-jaza ny fitantanana firenena. Tsy tamin’iny resaka daty iny ihany, fa efa hita izany tamin’ny resaka fitsapan-kevi-bahoaka hoe: ny didim-panjakana sy ny daty, ny an-tsapaka momba ny fampielezan-kevitra amin’ny haino aman-jery no mandeha alohan’ny fangatahana fankatoavana avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Mpitondra tsy matotra sy tena tsy mahafehy firenena.Ny filoha sy minisitra vitsivitsy moa naharitraritra ihany nivahiny tany Frantsa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.