Politique

Tsy Aritra Tetezamita sa Repoblika faha 4 ?


  • Alakamisy 06 Desambra 2012

Fety be indray ny fanamarihana ny faha-2 taonan’ny Repoblika faha-4 ny talata 11 desambra ho avy izao, ary dia nampiarahana amin’ny fitokanana ny Coliseum na ilay kianja filanonana lehibe sy fanaovana fampisehoana manarapenitra eny Antsonjombe-Analamahitsy moa izany.

 Raha nolanian’ny CST tsy nisy fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2013 ny talata teo, dia nambara fa hoe tsy maintsy hisy ihany ny fikitihana sy fanitsiana azy na ilay antsoina hoe «loi de finances rectificative», rehefa tonga ny mpitondra vaovao ao amin’ny Repoblika faha-4. Raha nisy ireo fitakiana nataon’ny sendika maro samihafa dia nolazaina fa tsy natao hamaha ny olana sendikaly ny fitondrana tetezamita, fa aleo miandry ny Repoblika faha-4 dia any mifampiraharaha. Dia mifamahofaho ny resaka, tsy mazava intsony hoe : anaty tetezamita ve isika izao sa efa Repoblika faha-4 e ? Rehefa hamaha ny olana ara-tsosialy sy ara-sendikaly ve, dia lazaina fa tsy vita izany satria tetezamita izao fa rehefa hanao fety be na hanasonia fifanarahana amina orinasa mpitrandraka harena ankibon’ny tany, dia mety indray satria lazaina fa fanjakana ara-dalàna no misy eto ary efa lany ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4, izay feno roa taona izao ? Ilay hoe «grille indiciaire», vaovao hampiharina eo anivon’ny asam-panjakana izao dia nolazaina hoe : efa nekena saingy amin’ny Repoblika faha-4 vao hampiharina. Tsy fantatra intsony izay tena marina.

Mifamahofaho be ihany ny toe-draharaha. Toa lalaovin’ny ao ambonimbony ao ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Mikorontana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ary ny olon-tsotra moa, mazava ho azy fa dia manaraka ambokony fotsiny fa tsy mahalala na inona na inona intsony. Filohan’ny tetezamita i Andry Rajoelina, kanefa efa mampiasa sahady ny mari-pamantarana sy ny teny filamatry ny Repoblika faha-4, tahaka izany koa ny amin’ny tombokase amin’ny ministera sy sampandraharaham-panjakana maro samihafa. Tsara homarihana anefa fa tsy olona na mpitondra fotsiny izany hoe Repoblika izany fa tena rafitra sy fomba fiasa ka raha ny tokony ho izy dia miaraka miainga miasa ny olom-boafidy hitantanana ny Repoblika faha-4 sy ny Repoblika faha-4, fa tsy tahaka izao misy eto izao hoe, efa nanomboka niasa tamin’ny 11 desambra 2010 ny Repoblika faha-4 fa ilay filoha lanim-bahoaka hitondra azy dia ho avy miandalana eo ihany. Tsy mahagaga raha tsy nahatafavoaka baolina i Andry Rajoelina tao anatin’ny telo taona satria tsy neken’ny iraisam-pirenena mihitsy no sady tsy naharesy lahatra tanteraka ny teto Madagasikara noho ny fanaovany ho tahaka ny kilalaon-jaza ny fitantanana ny firenena.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT