Politique

Tsy Aritra Manenjana ny Bekintana


  • Alakamisy 08 Novambra 2012

Hatreto aloha dia tsy mahazo rariny amin’ny Amerikanina mihitsy ny fitondrana tetezamita tarihin’i Andry Rajoelina na dia atao aza hoe efa misy ny fiaraha-mitantana.

 Vao omaly indray mantsy no nanamafy Atoa Eric Wong, mpiandraiki-draharaha Amerikanina eto amintsika, fa tsy hamatsy ara-bola ny fifidianana amin’ny 2013 mihitsy i Etazonia raha tsy misy ny fiovana tena azo tsapain-tanana amin’ny fanajana ny demokrasia, tsy misy fanilikilihana, ny fanajana ny zon’olombelona, ny fanajana ny fahafahan’ny hafa haneho hevitra. Tsy dia tena zava-baovao moa izany fa efa izay foana no hevitr’i Etazonia izay tena mbola manasokajy an’i Andry Rajoelina ho mpanongam-panjakana. Rehefa izay dia izay, fa tsy mba miovaova hevitra tahaka ny sasany izany ny be kintana, ary tena saropiaro amin’ny resaka demokrasia sy ny fahafahana maneho hevitra.

Dia niaraha-nahita tamin’ny zava-nitranga omaly ireny moa fa avo lenta tokoa ny fampiharana ny demokrasia any Amerika any, satria nahalala resy i Mitt Romney, niarahaba sy nirary soa ny filoha Obama. Ity farany kosa dia tsy hoe nizesta na nirehareha fa kosa nisaotra ny rehetra na Demokraty io na Repoblikana, nanome toky fa hiara-hiasa amin’ny rehetra ihany koa. Ny olana amin’ity resaka ity anefa dia matanjaka dia matanjaka eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena ny Amerikana ary manana fahefana goavana amin’ireo fikambanana ara-bola iraisam-pirenena tahaka ny Banky sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena. Ka matetika dia mitovy hevitra izy ireo, ka rehefa tsy mamatsy vola ny iray dia manaraka an’izay koa ny iray. Tsy misy afa-tsy ny famerenana ny fanajana ny demokrasia ihany no fanafodin’izany rehetra izany. Raha tsy hoe tsy mila ny Amerikanina mihitsy, angaha i Andry Rajoelina fa mety efa mahita mpiara-miasa hafa matanjaka sy manana fahefana be eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Raha nety anefa izany dia mety efa ela no nahavita fifidianana ny tetezamita, ary efa nitobaka ny famatsiam-bola avy any ivelany.

Efa nambara teto fa manohana an’i Andry Rajoelina ihany ny Frantsay, saingy tsy manana vola be omena antsika, any amin’ny fanohanana ara-kevitra matetika no tena manavanana ny Frantsay fa tsy mba fanaony loatra ny mamatsy vola be izany. Raha hoe hiantehitra amin’ny Sinoa indray, ohatra ny fitondrana tetezamita dia mety hiesona eo ihany koa satria, tsy dia mahaliana ny Sinoa loatra izany hoe fifidianana demokratika, na madio sy mangarahara izany fa ny hampitobaka ny entany eto no mahamaika azy, dia ny hitrandraka harena ankibon’ny tany sy hahazo ny tsena amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa goavana. Tsy mbola Vietnam i Madagasikara ka sahy hifanandrina amin’i Etazonia, ny vanim-potoana rahateo efa niova. Hahatonga saina an’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy ihany ve ireny fantsy avy amin’ny Bekintana ireny sa dia tena rano araraka an-damosin-gisa fotsiny ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT