Politique

Tsy Aritra An-kitsapatsapa ?


  • Alakamisy 04 Oktobra 2012

Vao nitsangana dia difotry ny ahiahy sy fanakianana avy hatrany ilay Filankevitry ny fampihavanana malagasy, ary na ny governemanta aza dia milaza an-kolaka fa tsy matoky ny fomba fiasan’ilay komity mpanomana tamin’ny fisafidianana ireo 44 mianadahy.

 Mbola hanadihady indray ny governemanta, izay vao mety hanaiky na hitsipaka ireo mpikambana ireo. Tsy dia mahagaga moa izany satria misy olona nandray ny dosie kosa ve, no lasa mpikambana raikitra avy eo. Tahaka ny hoe, ny olona efa afaka nanopi-maso tamina laza adina iray na maromaro no manala fanadinana. Ankoatra ny governemanta dia manomboka mitombo isa ireo olona mpanao politika na fikambanana sy antoko politika, mitaky tsotra izao ny hamerenana ny fananganana ilay FFM. Dia mampatahotra, araka izany, ny ho tohin’ny raharaha, satria ilay rafitra hampihavana mihitsy no miteraka fifandirana, koa inona moa ny fampihavanana mbola azo antenaina amin’izany. Misy ireo mpikambana toy ny pastera isany Ramino Paul sy Nestor Razafindramanitra, avy amin’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Finona, no sokajian’ny olona ho mitanila any amin’i Andry Rajoelina ka noho izany tsy azo itokisana.

Misy koa ny mpikambana hafa, izay tsy dia maharesy lahatra firy ny ankamaroan’ny olona avy any amin’ny faritra iadidiany, noho ny antony maro samihafa. Manahy koa ny maro fa sao dia resaky ny mpinamana sy ny mpiara-dia, tahaka ny tamin’ny nananganana ny ray aman-dreny nijoro ity resaka ity, ka ny anarana sy ny kabary no mipoapoaka, fa raha ny asa, tsy nisy nisongadina firy ary tsy nahavita nandamina akory. 8 volana mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena izany savorovoro rehetra izany, ka mahalasa fisainana ihany hoe : ny hametrahana ny fitoniana marina ve no tena laharampahamehana eto, sa inona ? Nahafantarana izao fitondrana tetezamita izao ny kitsapatsapa sy ankanandrakandrana; atao aloha ny zavatra iray, ka raha ita fa tsy mety, dia ovaina indray. Ny tena mpitondra anefa dia tokony efa miomana amin’ny zava-drehetra fa tsy mitsapatsapa izany, fa i Andry Rajoelina sy ny ekipany moa rehefa nodinihana dia ilay fanonganam-panjakana no tena niomanan’izy ireo tsara, fa ny fitantanana ny firenena kosa tsy voafehiny hatramin’izao !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT