Politique

Tsy Aritra Ampamoaka efa …tara loatra ?


  • Talata 13 Novambra 2012

Mitohy hatrany ny ampamoaka ataon’ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina momba ny zavatra nitranga teto amin’ny firenena, anarana maro no voatonona ao amin’ny taratasy farany nosoratany ka anisan’izany ny filohan’ny tetezamita Andry rajoelina izay nambarany fa hoe nihaona manokana tamin’ny rainy tany Manakara ary niteny taminy mba handresy lahatra ny lietna kolonely Charles, tsy ho be resaka na hamoaka tsiambaratelo momba ny zava-nitranga tamin’ny 2009.

 Ho tambin’izany dia omena toerana tsara any ivelany ny lietna kolonely Charles, araka io ampamoaka nataony io ihany.Voatonona ao koa ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny repoblika Atoa Haja Resampa izay nanome toky fa hanome vola be ny lietna kolonely Charles , raha toa ka manaiky ny hangiana sy tsy hamoaka tsiambaratelo izy. Fa ny tena nanaitra dia ny filazan’ity manamboninahitra mitsabo tena any La Reunion ity, fa nisy olona hafa nitifitra ireo olona izay niakatra teny Ambohitsorohitra ny sabotsy 7 febroary 2009, ka raha araka ny filazany ihany dia olon’ny kolonely Lylison ireo nitifitra ireo.

Naparitaky ny lietna kolonely Charles hatrany amin’ny shatra iraisam-pirenena moa io taratasy ampamoaka io, miampy ny ambarany fa fialan’andraikitry ny fitondrana tetezamita amin’ny fiantohana ny fitsaboana azy, na dia milaza fa miantoka manontolo izany , aza ny fanjakana araka ny nambaran’ny minisitry ny fitsarana. Asa aloha izay tena porofo eo am-pelatanana ity manamboninahitra ity, fa raha toa ka marina sy mitombina ny ampamoaka nataony dia maro be mihitsy ny zavatra hiova eto, satria tena manadio tanteraka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy izany. No sady manaporofo indray fa nisy tifitra avy aty ivelan’ny lapa ka izay no nahatonga ny diam-bala teo amin’ny vavahadin’Ambohitsorohitra, araka ny filazan’ny lietna kolonely Charles ihany .

Ny manaitra amin’ity resaka ity kosa anefa dia ny hoe , efa ny 7 sy 8 febroary 2009 izany dia efa nahalala ny kolonely Charles fa misy ny tetika maizina handotoana ny fitondrana Ravalomanana, efa fantany rahateo ny nahatonga ny lundi noir ny 26 janoary tamin’io taona io ihany; koa nahoana izy no mbola nanaiky nitarika  ny fikomian’ny Capsat ny 8 martsa, ary nilaza fa mpamono olona Ravalomanana , no sady nanao fihetsika mahery teny amin’nhy Episcopat Antanimena ny 17 martsa 2009 ? Efa potiky ny gaboraraka sy ny fangoronan-karena ataon’ny vondron’olom-bitsy ve ny firenena izay vao , tena tonga saina ny kolonely Charles fa tsy nety ireny fanonganam-panjakana natao ireny ? Asa aloha izay hiafaran’ity tantara ity, fa ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina aloha dia efa nilaza fa vonona hizaka ny nataony , no sady vonona hijoro ka hilaza ny marina rehetra .

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT