Mihevitra ny Malagasy ho bado ny mpitondra eto amintsika. Porofon’izany, ohatra, ny filazan’izy ireo zavatra izay iaraha-mahalala izao fa tsy mitombina. Manamora ny fanambakana ataon’ny mpitondra ihany koa ny fari-pahalalan’ny Malagasy.
Ny 20%n` ny Malagasy mantsy no tsy niditra an-tsekoly mihitsy. 45% an'ny Malagasy dia latsaky ny 15 taona. Ny mpitondra mifandimby anefa tsy nanome lanja ny fanabeazana. Tsy voadinika tsara ny fandaharam-pianarana, hoe mifandraika amin` ny filàn'ny malagasy ve? Atao dika mitovy fotsiny amin` ny any ivelany. Tsy omena lanjany ny mpampianatra dia lasa manao alasafay ny asa fampianarana. Tsy mitovy ny fanabeazana azon'ny ankizy. Ny an'ny mpanam-bola mahatakatra sekoly manome fampianarana azo lazaina ho feno kokoa. Ny zanak'olona sahirana, misy aza tsisy tafo akory ny sekoliny. Noana izy, mangatsiaka izy rehefa ririnina, mandeha tongotra lavitra izy mamonjy sekoly. Vetivety koa izy dia ajanona tsy mianatra, satria tsy maharaka amin`ny fandoavana ny vola ilaina ny ray aman-dreny. Tsy mitovy vintana ny ankizy ka misy ny bado kokoa noho ny hafa. Andaniny, 50%n` ny Malagasy dia anelanelan` ny 15 taona hatramin` ny 45 taona, izany hoe tanora. Maro koa no kitaitaitra sy revon'ny manjelanjelatra be. Mazava be sy mila mianatra sy mampiana-janaka isika. Dia io ilay krizy miverimberina satria rehefa tsy mandeha ny tontolon'ny fampianarana dia mora ho an'ny mpanao pôlitika ny manabado ny vahoaka. Zava-dehibe ny fanabeazana. Ny taranaka no ho avin’ny firenena. Raha ireo no voavolavola tsara ny toe-tsainy dia handroso ho azy ny firenena. Ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona izany no tokony ho vaindohan-draharahan’ny fitondrana ankehitriny. Ny zava-misy anefa dia ny fitadiavana sy fahasahiranana eo ihany fa ilay tsy fahampiana fahalalana no mahatonga ny malagasy tsy afaka mandinika intsony. Tonga dia ny fo sy ny kibo noana no miteny ka tsy mahagaga raha tsy lasa lavitra ny saina. Izany no mahatonga ny malagasy mora ampiesonina!
\Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.