Maro ireo fanambarana samihafa indrindra avy amin` ny firaisamonina sivily
maromaro fa ela fiasa ny fitsarana ambony (HCJ) sady mavesatra be ny dingana arahina. Etsy ankilany anefa manamafy ny filohan` ny vaomiera manokana misahana ny fiampangana eo anoloan'ny Fitsarana avo (HCJ) eo anivon` ny Antenimieram-pirenena, Tsobotokay Honoré, fa noho ny asa mbola tsy tomombana no nanemorana ny tatitra tokony nataon` ity vaomiera manokana ity. Notsipihany manokana fa tsy misy resaka fahatahorana no antony izany fanapahan-kevitra izany. “Ny tenanay dia efa tao amin`ny Justice et Paix. Tsy misy tsindry ary fanapahan-kevitra politika ary tsy misy resaka valifaty politika izany”. Nambarany hatrany fa tsy hanimba kosa ny sarin` ny Antenimieram-pirenena izy ireo ka aleo alamina tsara. Dosie 12 no eo am-pelatanan` ity komity manokana ity ary fitoriana taorian` ny taona 2013 avokoa ireo raharaha hodinihana amin` izao. Raha zohina dia tsy ny lalàna no mampandringa ity rafitra ity fa ny dingana fanenjehana takian` ny HCJ no manano-sarotra satria misy dosie tonga ao aminy kanefa tsy maintsy hankatoavin` ny 2/3n` ny depiote. Noho izany, sarotra inoana ihany ny hanohizana famotorana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.