Politique

Tsivaka Raharison Sylvien “Sahia miatrika fifidianana raha tena mpanao politika”


  • Alakamisy 29 Novambra 2012

Tsy tokony hanaiky ny amin’ny tsy hisian’ny fifidianana amin’ny taona 2013 ny vahoaka, hoy i Tsivaka Raharison Sylvien, filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita, Faritany Antsiranana.

 Ekena hoy izy fa mety misy ny zavatra tsy tomombana saingy tsy misy zavatra tonga lafatra. Tsy tokony hasiana kajikajy ny fanatanterahana ny fifidianana. Ny olana mantsy, hoy i Tsivaka Raharison dia betsaka ireo mpanao politika matahotra fifidianana nefa raha tena mpanao politika marina dia tokony ho sahy hijoro sy hiatrika fifidianana fa tsy lany andro fotsiny amin’ny kajikajy ambony latabatra. Tsy vao sambany rahateo isika no hanao fifidianana hoy ity tompon’andraikitra ity fa efa niaina izany ka tsy tokony hiahotra intsony. Nanindry i Tsivaka Raharison fa ny fifidianana filoham-pirenena no tokony handeha aloha.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT