Fohazy aho rehefa mandroso i Madagasikara hoy ny filoha Ratsiraka talohan'ny nahafatesany araky ny hafatra nampitondrainy ny zanany, hoy ny mpanao politika sady filohan’ny fikambanana Tanora mandray andraikitra na TMA,
Tsiry Andriamihantasoa. Mahavariana ahy sy tsetsatsetra tsy aritra, hoy izy, hoe nahoana no maty talohan'ny 29 martsa ny filoha ary toa vita kajy ny andron'ny fandevenana izay natao 29 martsa? Fohazy aho hoy izy! Sarotra ny mamoha ny filoha Ratsiraka! Ary tsy handroso mihitsy ity firenena ity raha izao zava-misy izao no jerena. Kolikoly eraky ny sampan-draharaham-panjakana rehetra. Tsy mamokatra ilay firenena. Hanjakan'ny vahiny ny tsenam-barotra. Mihena ny fahefa-mividy. Tsy misy foto-drafitrasa hivoahan'ny vokatra. Miha mahantra ny vahoaka, hany ka tsy manana vahaolana afa-tsy na ''mivarotra'' na mangalatra. Izay mangalatra na misoloky dia ireny hitantsika ireny fa matin'ny fitsaram-bahoaka noho ny tsy fahatokisan'ny olona ny fitsarana. Inona Ilay olana goavana mampahantra ny vahoaka? Tsy manana fahefana amin'ny fihariam-pianana ny vahoaka satria voafetra ny fahefany. Ratsiraka no niteny an'io teny io fa izaho kosa miteny an'izao teny izao hoe '' Tsy handroso mihintsy ity firenena ity raha tsy manana fahefana amin'ny tenany ireo vahaoka ireo.'' Amin'ny fotoana manana teti-bola, fara-fahakeliny, 20.000.000 ariary ny fokontany hitondrany fampandrosoana eny ifotony mahakasika ireo asa fihariana izay vao azo antoka fa handroso isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.